Sorona Masina ny Asabotsy 22 janoary 2022

Herinandro faha-2 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 65, 4

 

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27.

 

Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?

Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela. Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida ka nipetraka tao Sikelega. Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin’i Davida izy dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka. Hoy i Davida taminy: “Avy aiza ianao?” Ary hoy ny navaliny azy: “Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.” Dia hoy i Davida taminy: “Ka nanao ahoana avy? Tantarao amiko kely hoe.” Ary hoy izy: “Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka, ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka, ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.” Dia noraisin’i Davida ny fitafiany, ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo, nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo. Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao: “Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely? Ahoana no nahalavoan’ny mahery? Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona. Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo; noravahany volamena ny fitafianareo! Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady? Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy! Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko! Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka, mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao. Ahoana no nahalavoan’ny mahery? Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 79, 2-3. 5-7

 

Fiv.: Ny Tavanao aseho, Tompo; dia ho voavonjy izahay.

Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa, izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry. Ry mipetraka eo ambony kerobima, efa Anao ny voninahitra, asehoy. Eo alohan’i Manase sy i Efraima, dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Rahoviana re ianao vao hitony tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela. Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky, ranomaso no gohinay hatrizay! Fa izahay dia nanjary fanaraby, sy faneson-dry zareo fahavalo.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 9, 2-3. 11-14

 

Ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny toerana marina indrindra.

Ry kristianina havana, nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra. Ary ny efitra lamba faharoa kosa, dia atao hoe fitoerana masina indrindra. Fa i Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao; sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy, nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo, mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9.

 

Fiv.: Andriamanitra miakatra arahina hoby.

Ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana! ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana! Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra arahina hoby; ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara! Antsao Andriamanitra! antsao! Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra; koa antsao amim-pirindrana! Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena; Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 20-21

 

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: “Efa very saina Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

 

Na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0943