Sorona Masina ny Alatsinainy 03 janoary 2022

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

6 JANOARY

 

Mialoha ny Nisehoan’ny Tompo. Raha miafara, jereo Herinandro manaraka ny Epifania

 

Tononkira fidirana

Salamo 111, 4

 

Nipoitra avy eo anivon’ny haizina hanazava an’ireo mahitsy fo ilay Andriamanitra antra sy mangoraka sady marina.

 

Fangatahana

Ry Tompo tsara fo ô, mba hazavao izahay mpanomponao ka ataovy mamirapiratra ao am-ponay lalandava ny voninahitrao, mba hahalalanay ny Mpamonjy anay tsaratsara kokoa sy hinoanay Azy tokoa.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 5, 5-6. 8-13

 

Misy telo no manambara etý an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra.

Ry malala, iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra? Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra, ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Misy telo no manambara etý an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra, izay lehibe lavitra; ary ny fanambaràn’Andriamanitra, dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra. Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany. Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana. Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

 

Fiv.: Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna! Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto: mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an’i Israely! Tsy misy olon-kafa nomeny izany: ny satany manko nafeniny azy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 6b-11

 

Ianao no malalako indrindra, Ianao no ankasitrahiko.

Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany Batista, ka nilaza hoe: “Avy aoriako Ilay mahery noho Izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehinkapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.” Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta, tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny, ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Aoka ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitra atolotray vahoakanao, ka izay ambaranay entanim-pinoana sy fitiavana anie mba ho azonay amin’izao Sorona masina izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo

 

Kômonio

1 Jo. 4, 9

Izao no ahitantsika ny fitiavan’Andriamanitra: nirahin’Andriamanitra ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana mba hahavelona antsika amin’ny alalany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Sakramenta noraisinay no ifandraisanao aminay, koa tanteraho ao am-ponay ny vokatr’izany sakramenta izany ary ny fahasoavana nomenao anie hahatonga anay ho mpanomponao lavorary.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089