Sorona Masina ny Alahady 02 janoary 2022

ALAHADY Anelanelan’ny 2 janoary sy ny 8 janoary

NY NISEHOAN’NY TOMPO na EPIFANIA

IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Mat. 3, 1; 1 Tant. 19, 12

Indro tamy ilay Tompo mahery: eo an-tanany ny fanjakana sy ny fahefana ary ny voninahitra.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, nasehonao androany tamin’ny tsy mpino notarihin-kintana ny Zanakao Lahy tokana; ka enga anie izahay efa mahalala Anao araka ny finoana, mba hotarihinao hatrany amin’ny toerana hahitanay ny voninahitrao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka.. . Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 60, 1-6

Miposaka eo aminao ny voninahitry ny Tompo.

Mitsangàna, ka mamirapirata, ry Jerosalema, fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao ny fahazavan’ny Tompo. Indro ny haizina fa manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena; fa ny Tompo kosa no miposaka eo aminao; ary ny voninahiny miseho eo aminao. Mandroso eo amin’ny fahazavanao ny firenena ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka. Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankaty aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana. Hahita izany ianao amin’izay, ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena. Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao; ny any Sabà rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra ary hitory fiderana ny Tompo.

—Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 71, 2. 7-8.10-11.12-13


Fiv.: Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka, omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana: ka ny olonao hotsarainy ara-drariny, ny malahelonao araka ny hitsiny.
Ny rariny hamony amin’ny androny, ny fiadanana hiroborobo mandavantaona. Ny fifehezany dia hatramin’ny Ranomasina ka tonga amin’ny Ranomasina; manomboka amin’ilay Ony ka mipàka amin’ny faran’ny tany.
Ny mpanjakan’i Tarsisa sy ireo nosy ho tonga eo aminy handoa hetra; ny mpanjakan’i Saba sy Sèba kosa ho avy hitondra hasina aminy; ny mpanjaka hiankohoka avokoa, ny firenena rehetra hanompo azy.
Izy hanafaka ny ory mitoloko sy ny madinika tsy manan-kanampy; ny osa, ny mahantra hotsimbininy; ny ain’ny malahelo hovonjeny.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efezianina 3, 2-3a. 5-6


Tonga iray lova sy iray tena ary miombona amin’ny fampanantenana amin’ny Jody ny Jentily.

Ry kristianina havana, aoka ho renareo ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, izany hoe, ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha, toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny apôstôliny masina sy ny mpaminaniny ao amin’ny Fanahy Masina, dia izao:

Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody ao amin’i Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 2, 1-12

Tonga avy any Atsinanana izahay mba hitsaoha ny Mpanjaka

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe: “Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka Azy”. Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra, sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: “Aiza no hahaterahan’i Kristy?” Ary hoy ireo taminy: “Ao Betilehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy an’i Israely oloko”. Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadîny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe:“Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana, fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza. Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

—Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO …


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy olom-bitsy no nantsoin’ny Tompo hanatona Azy fa ny firenena rehetra eto ambany masoandro, ary solontenany ireo Majy fahiny teo anatrehan’i Jesoa Andriamanitra teraka tany Betilehema; koa andeha isika hivavaka mba hampahavokatra ny asa rehetra ikezahana eran-tany hitaomana ny olombelona hanatona an’Andriamanitra.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Nahay nanambara ny toerana hahaterahan’ny Mpamonjy ireo mpisorona sy mpanora-dalàna teo amin’ny Testamenta Taloha, fa tsy nahay nitaona ny vahoaka hanatona ny Tompo, koa mivavaha mba ho hain’ny Pretrantsika amin’izao andro izao ny mitondra ny olona hankeo amin’i Jesoa Kristy.
* Mivavaha mba hotsilovin’Andriamanitra ny sain’ireo mpitondra fanjakana, hahitany ny lalana sitraky ny Tompo hitondrana ny firenena, ary rehefa mahita ny lalana atoron’ny Tompo anie izy, dia mba hanaraka izany tahaka ny Majy nahita ny kintana sy nanaraka azy hatramin’ny farany.
* Misy olona manampatra ny heriny, sahala amin’i Herôda nampamono ireo noheveriny ho nanembantsembana azy; koa mivavaha mba samy hifampitsinjo sy hifanasoa ny olombelona rehetra, fa tsy hisy hifamono na hifanao kely tsy mba mamindro.
* I Jesoa tonga tamim-panetren-tena teto an-tany dia mbola ho avy amim-boninahitra lehibe amin’ny farandro. Koa mangataha mba ho velona ao am-pontsika rehetra ny fanantenana ny fiainana eo anilan’i Kristy mandrakizay.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Tompo Andriamanitra ô, Ianao no Kintana fanala haizina an’ity tany ity, nefa izahay mirehareha tokoa ankehitriny noho ny fandrosoana vokatry ny fiezahana ara-tsiansa fotsiny; koa mihanta aminao izahay, arotsahy ny fahazavanao mba hitantana sy hitondra anay hankany amin’ny Zanakao. Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba jereo amin’ny fo mangoraka, ry Tompo, ny tolotra ataon’ny Eglizinao; tsy volamena na emboka na mira no atolotra, fa Ilay ambarany, ka atao Sorona ary manjary hanin-kohanina ho anay, dia i Jesoa Kristy, Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy: Nisehoan’ny Tompo


Kômonio

Mt. 2, 2

Nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mitondra fanatitra hitsaoka ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, ny fahazavanao avy any an-danitra hitari-dalana anay mandrakariva hatraiza hatraiza; ary efa navelanao hiombona anjara amin’i Kristy izahay ao amin’izao mistery izao, koa diovy ny masonay hibanjina Azy, hazavao ny sainay hahalala Azy ary omano ny fonay hankafy Azy.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083