Sorona Masina ny Asabotsy 01 janoary 2022

1 JANOARY

MASINA MARIA RENIN’ANDRIAMANITRA

RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA

Lokon'akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

 

Arahaba, ry Reny Masina, niteraka ilay Mpanjaka Mpifehy ny tany aman-danitra mandrakizay mandrakizay.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny hahazoanay ny rakitra soa mandrakizay hahavonjy ny taranak’olombelona no nanomezanao anaka an’i Masina Maria Virjiny, koa mihanta aminao izahay: aoka ho renay fa mitalaho ho anay izy ilay nahazoanay ny Mpahary ny aina, dia i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fanisana

Fan. 6, 22-27

Hiantso ny Anarako eo amin’ny zanak’i Israely izy ireo ary hitso-drano azy ireo Aho.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak’i Israely ianareo, dia hanao aminy hoe: “Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo. Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie ny Tompo. Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”. Dia izany no hametrahany ny Anarako amin’ny zanak’i Israely, ary Izaho hitahy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 66, 2-3.5.6 sy 8

 

Fiv.: Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano; hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany, ho hitan’ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena, satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny, mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana, mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra! Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany, ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 4, 4-7

 

Nirahin’Andriamanitra ny Zanany nateraky ny vehivavy.

Ry kristianina havana, rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka. Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fonareo ny Fanahin’ny Zanany, ka miantso hoe: “Abà, Ray!” Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo, fa zanaka, ary rehefa zanaka, dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 16-21

Nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely izy ireo... Rehefa afaka ny havaloana, dia natao hoe Jesoa ny Anarany.

Tamin’izany andro izany, dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely mandry amin’ny fihinanam-bilona; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza dia natao hoe Jesoa no Anarany araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao Taom-baovao ifampiarahabantsika tratry ny taona izao, dia mivavaha mba hotahin’Andriamanitra avokoa ny olombelona zanany rehetra mandritra ity taona vaovao ity, ary hoampiany hahita ny tena hasambarana sy fiadanana marina.

Valy: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

* Amin’izao fanombohan’ny taona izao, dia mivavaha isika ho an’ny Eglizy mba hanahaka an’i Maria izy, ka hahay hanolotra ny Mpamonjy amin’izao tontolo izao; ary hahavory ny olombelona hankeo amin’i Jesoa, Andrian’ny Fiadanana.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra sy ny mpikatroka rehetra ary koa ho an’ireo mahafoy tena hanasoa ny namana, mba hanovozany herim-po sy fahazotoana ity taona vaovao ity.
* Tsy ny firavoravoana eto ivelany no hahitan’ny olombelona ny tena hasambarana tadiaviny, fa ny Hafaliana marina entin’i Kristy; koa mivavaha mba izany no hokatsahintsika sy hameno ny fontsika, mandritra ity taona manomboka ity.
* Mivavaha isika ho an’ireo olona marobe: zaza, tanora olon-dehibe, izay misantatra ity taona ity ao anatin’ny hanoanana sy ny toloko vokatry ny fahoriana samihafa sy ny ady, ka ny tso-drano sy ny fanampian’Andriamanitra anie hitahy azy rehetra.
* Mivavaha mba ho tena Mpanjakantsika sy Renintsika tokoa i Maria Virjiny, ary hanampy antsika hahay manangona ny olona rehetra ho fianakaviam-ben’Andriamanitra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra ô, i Masina Maria Reninao sy Reninay olombelona dia mahalala izay mahasoa anay sady be fitiavana anay; koa ampianaro izahay noho ny vavaka ataony mba hahay hampifanaraka ny fanirianay sy ny asanay amin’ny sitra-ponao sy ny fitiavanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no anombohan’ny soa rehetra sy mandavorary azy; koa enga anie izahay ravo mankalaza ny Reny Masin’Andriamanitra ka tretrika misantatra ny fahasoavanao mba ho faly henika izany fahasoavana izany mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, ary ny mankasitraka Anao sy midera Anao amin’izao andro fankalazana ny maha-Reny an’i Masina Maria Virjiny izao.

Nalofan’ny Fanahy Masina izy ka nanana ny Zanakao Lahy tokana: ary voatahiry ny voninahitra maha-virjiny azy, fony izy nanome an’izao tontolo izao Ilay Fahazavana mandrakizay, dia i Jesoa Kristy Tomponay.

Ilay ideran’ny Anjely Anao avo indrindra, itsaohan’ny Fiandrianana Anao, anajan’ny Fahefana Anao amin-tahotra, ary iarahan’ny lanitra sy ny herin’ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo mankalaza ny voninahitrao. Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Hebr. 13, 8

I Jesoa Kristy tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Faly nandray Kômonio izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: enga anie izany Sakramenta izany ho antoky ny fiainana mandrakizay ho anay mankalaza sy manome voninahitra an’i Masina Maria Virjiny, Renin’ny Zanakao sy Renin’ny Eglizy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094