Sorona Masina ny Alarobia 29 desambra 2021

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

29 DESAMBRA

 

Tononkira fidirana

Jo. 3, 16

 

Toy izao tokoa no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Asiana Voninahitra anie ho an’Andriamanitra.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary tsy hita maso ô, nofoananao ny haizina nanarona an’izao tontolo izao tamin’ny nahatongavan’ny Fahazavanao; koa tsimbino izahay mihanta aminao, mba hanao tononkira fiderana mendrika ny Zanakao Lahitokana teraka ho anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 2, 3-11

 

Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava.

Anaka, izao no ahafantarantsika, fa mahalala an’i Jesoa isika, dia raha mitandrina ny didiny isika. Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. Fa izay mitandrina ny didiny, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa; ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika. Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.

Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela izay efa azonareo hatramin’ny voalohany: ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo. Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo, izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo, fa efa misava ny haizina, ary miposaka sahady ny fahazavana marina. Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny haizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 5b-6

 

Fiv.: Mifalia, ry lanitra sy tany.

Ikaloy ireo hira vaovao ho an’ny Tomponao, ry manana aina! Ny fisaorana aoka hanakoako!
Isan’andro vaky dia torio: itony vonjy nentiny lazao, mba handre daholo ny eran-tany.
Ny habakaba-manga dia nataony, ka ny lapa masiny tazano, fa mitemitra ilay fahefany.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 22-35

 

Fahazavana hanilo ny Jentily.

Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe: “Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe: masina ho an’ny Tompo”, ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo. Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema, ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: “Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao amim-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao.” Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: “Indro, itý Zaza itý no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina, — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra, — mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ireto fanatitra ifandraisanay aminao be voninahitra; koa enga anie ny fanomezanao atolotray Anao hahamendrika anay handray ny Tenanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo

 

Raha Kanôna Rômanina no atao, dia ny "Entanin’ny firaisana" fanao amin’ny Noely no alaina.

 

Kômonio

Lk. 1, 78

Nangoraka antsika ny Andriamanitsika ka nampiposaka ilay Masoandro maraina hamangy antsika avy any ambony.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny hasin’izao Kômonio izao hankahery ny fiainanay mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0639