Sorona Masina ny Talata 28 desambra 2021

28 Desambra  Ireo zaza tsy manantsiny

 

Fety ankalazaina

Tononkira fidirana

Maty ho an'i Kristy ireo zaza tsy manantsiny ireo ka lasa any an-danitra, nanaraka an'ilay Zanak'Ondry tsy misy kilema, ary tsy mitsahatra ny mihoby azy manao hoe: "Voninahitra anie ho anao, ry Tompo".

 

Asiana Voninahitra...

 

Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, omem-boninahitra ao amin'ireo zaza tsy manantsiny ireo Ianao androany, tsy noho ny teniny fa noho ny ra nalatsany; izahay koa, mba tahio haneho eo amin'ny fiainanay ny finoana torinay amin'ny teny. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tomponay.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Taratasy voalohany nosoratan'i Md Joany Apôstôly

I Jo. 1,5 - 2,2

Ny Ran'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra no manadio antsika amin'ny ota rehetra.

Ry zanako malala, izao no teny renay tamin'i Jesoa ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao aminy. Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina. Fa raha mandeha amin'ny mazava toa Azy ao amin'ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny ran'i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin'ny ota rehetra.

Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina. Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra. Raha milaza antsika ho tsy nanota isika dia mampandainga azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny.

Anaka, manoratra izany aminareo aho mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolovava ao amin'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay marina. Izy no sorom-panonerana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'izao tontolo izao koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Salamo fandinihana

Sal. 123, 2-8

Fiv.: Izay mahafoy ny ainy
Dia hitsangan-ko velona ao amin'ny Tompo.

Raha ny Tompo tsy nomba antsika,
fony nitsangan-kamely antsika ny mpisompatra
dia ho nateliny velona mihitsy isika,
Raha nirehi-pahatezerana tamintsika ry zareo.

Fony nanafotra antsika iny ny ranobe,
ka nitelina antsika ny ranon-driaka
dia ho rano mirimorimo tokoa
no nahavoatelina ny aintsika.

Toy ny fody nitsoaka tamin'y haraton'ny mpihaza:
no nahafaka ny aintsika.
Ny famonjena antsika dia avy amin'ny anaran'ny Tompo
izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra ô midera anao izahay; manambara fa Ianao no Tompo; ary mihoby anao ny antokon'ny martiry feno hadiovana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 2, 13-18

 

Fa i Herôda naniraka namony ny zazakely rehetra tao Betilehema.

Tamin'izany andro izany, nony lasa izy ireo Majy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin'ny Tompo voalazan'ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. Ary nony efa hitan'i Herôda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin'ny tany manodidina, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin'ny Majy. Dia tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany manao hoe: Nisy feo re tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy: Rasely nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, notoloranao fahamasinana ireo zaza tsy manantsiny, na dia tsy mbola fantany aza izany; koa ekeo ny fanatitra entinay hatao sorona, ary omeo fo tsotra sy madio izahay mankalaza an'izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: amin'ny fankalazana ny Noely.

Tononkira amin'ny Kômonio

Ap. 14, 4

Ireo no manaraka ny Zanakondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin'ny olona, ho santatra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanakondry.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ray be indra fo ô, nofahananao tamin'ny fanasanao izahay, koa sokafy ho anay mpino anao ny raki-panavotanao, amin'izao fety ankalazanay an'ireo zaza tsy manantsiny izao. Fa na dia tsy ny vavan'izy ireo aza no niteny, dia ny ra nalatsany no nentiny nitory ny zanakao, ilay mpanavotra an'izao tontolo izao.

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895