Sorona Masina ny Asabotsy 25 desambra 2021

25 DESAMBRA Sorona antoandro

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY NAHATERAHAN’NY TOMPO

MIANTSO ANTSIKA MBA HO IRAY TAM-PO AMINY NY ZANAK’ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Iz. 9, 6

Misy Zaza teraka ho antsika, ka Zazalahy no nomena antsika. Napetraka eo an-tsorony ny fanjakana, ary hantsoina hoe: Mpitondra ilay hafatra lehibe Izy.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, mahagaga ny fomba naharianao ny olombelona, ary vao mainka mahagaga ny fomba namerenanao aminy ny hasiny fahiny; koa enga anie izahay mba hiombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, Ilay nanaiky hiombona anjara amin’ny maha-olombelona anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin'Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 52, 7-10

Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny vazan-tany rehetra.

Endrey! izany hatsaran’ny tongotr’ilay Iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: “Manjaka ny Andriamanitrao!”. Ny feon’ny mpitilinao: manandra-peo izy ireo, miara-mihoby an-kafaliana, satria hitany maso ny fiverenan’ny Tompo ao Siôna. Miaraha mihoby an-kafaliana, ry Jerosalema rava! Fa ny Tompo efa nampionona ny vahoakany sy efa nanavotra an’i Jerosalema. Nasehon’ny Tompo ny sandrin’ny fahamarinany, hiharihary eo imason’ny firenena rehetra. Ary ny faran’ny tany rehetra, hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de4. 5-6


Fiv.: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga: ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena.
Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, ny fahamarinany hitan’ireo firenena. Tsarovy, ry terak’i Israely, ny fitiavany sy ny fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen’ny Andriamanitray. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo, mientàna, miantsà sy mihobia.
Miantsà ny Tompo amim-baliha, amim-baliha sy hira fiantsàna amin’antsiva sy feon’anjomara mihobia eo anoloan’ny Tompo Mpanjaka!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina hebrio

Heb. 1, 1-6


Tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenan’Andriamanitra tamintsika.

Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho Mpandova ny zavatra rehetra sy nahariany an’izao tontolo izao.

Io Zanany io, izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra, nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, ka natao ambonin’ny Anjely, arakaraka ny fahambonian’anarana nolovàny, fa tsy tahaka ny azy ireo. Fa Anjely iza no mba nilazan’Andriamanitra hoe: “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany” sy ny hoe: “Izaho ho Rainy, ary Izy ho Zanako”? Ary rehefa mampiditra ny Lahy matoa aty ambonin’ny tany indray Izy, dia manao hoe: “Aoka hitsaoka Azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 1-18 (lava) na 1-5, 9-14 (fohy kokoa)

Tonga nofo ny Teny ary nonina tety amintsika.

Raha ny fohy no atao dia ajanona izay ao anatin’ny […]

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina.

[ Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana, fa tonga ho vavolombelona manambara ny Fahazavana fotsiny izy.]

Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Tonga teo amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany, ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.

[Nanambara Azy i Joany ka niantso nanao hoe: “Izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy, ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy”. Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana, fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy. ]

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Rahefa atao ny IZAHO MINO, ka tonga amin’ny hoe: ARY NAKA NOFO... OLOMBELONA, dia mandohalika lohalika roa raha hiraina, ny havanana ihany raha tsy hiraina.


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny fahazavan’i Kristy sy ny hafaliana amin’izao Noely izao dia manenika ny fontsika kristianina, koa asondroty ny vavaka ataontsika hiantso fahasoavana ho an’ny olombelona rehetra eran-tany.

Valy: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no torolalana.

*Maro ny olona mbola lavitra an’Andriamanitra, mbola tsy mahita ny fahazavany; koa mivavaha mba ho kintana hitarika azy hankeo amin’Andriamanitra ny Eglizy.
*Ny vahoaka maniry fandriam-pahalemana, ny mpitondra anefa maro no mifanipaka hevitra; koa mivavaha mba ho ny soa iombonana hatrany no hokendren’ny mpitondra fanjakana, mba hiadanan’ny ambanilanitra.
* Nitondra fahafahana ho an’ny olombelona i Kristy, nefa maro no mbola voageja sy voafatotra, voan’ny tsindry hazo lena; koa mivavaha mba hoampian’Andriamanitra ny tolom-panafahana rehetra.
* Betsaka ny mpiasa misahirana mafy sy mijaly, mba hahasambatra ny hafa amin’izao Noely izao; koa mivavaha mba hahazo ny anjara hasambarany koa izy ireny.
* Matetika isika tsy te hohelingelenina; koa enga anie ho tsaroantsika hatrany i Betilehema tsy nety nandray ny Mpamonjy mba hanokafantsika ny fo sy hamohantsika ny varavarana handraisantsika izay rehetra mila vonjy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Andriamanitra Rainay ô, ny olombelona rehetra no antsoinao hankeo amin’ny Mpamonjy; koa ampio izahay efa zanakao, hiezaka hitaona ny olona rehetra hahatanteraka ny fanirianao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra entinay mankalaza izao andro lehibe izao, fa mampitony Anao sy mampihavana anay tanteraka aminao ary manampy anay hanompo Anao amin’ny fomba mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo III.


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa Izy amin’izao andro iraisany fomba aminay izao no amirapiratan’ny fanavotana anay, satria naka ny fombanay mora simba Izy ilay Teninao, ka ny toetranay olombelona mety maty dia indro miofo ho enim-boninahitra tsy manam-pahataperana, ary miray aminy amin’ny fomba mahagaga ny tenanay, ka tonga maharitra mandrakizay.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely amin’ny tononkira ataony, ka midera Anao izahay faly sy mihoby manao hoe: Masina, masina, masina. .


Kômonio

Sal. 97, 3

Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen’ny Andriamanitray!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra be indrafo ô, aoka ny Mpamonjy an’izao tontolo izao teraka androany, ka nahatonga anay ho zanak’Andriamanitra, mba hanome anay koa ny fiainana tsy manam-pahataperana.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0953