Sorona Masina ny Zoma 24 desambra 2021

24 DESAMBRA (Alina)

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY NAHATERAHAN’NY TOMPO

ZAZA TERAKA ANATY ALIM-BE NO FAHAZAVANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO

Sorona misasaka alina

Tononkira fidirana

Sal. 2, 7


Ny Tompo nilaza tamiko hoe: Zanako Ianao; Izaho no niteraka Anao androany!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, nataonao mamirapiratra amin’ity alina masina ity ilay Fahazavana marina; koa enga anie izahay mahalala izany mistery izany ety an-tany mba ho feno haravoana any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 9, 1-6

Zazalahy no indro nomena antsika.

Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan’ny mazava. Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliany; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo. Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna. Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo, ka levon’ny afo.

Fa misy Zaza teraka ho antsika, Zazalahy nomena antsika: ka ny Fanjakana napetraka eo antsorony; ary ny Anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana, mba hanitatra ny fanjakana sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’ny Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 95, 1-2a. 2b-3. 11-12. 13.


Fiv.; Efa teraka ao Betilehema
I Jesoa Zanak’Andriamanitra
Efa teraka ao Betilehema
Derao ny Mpanavotra antsika.

Ihirao hira vao ny Tompo, ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Isan’andro isan’andro tsy tapaka, torio ny famonjeny mahafaly.
Ambarao ny firenena ny voninahiny, lazao ny vahoaka ny asany mahagaga
fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra;
Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy.
Ny lanitra mifalia, ny tany miravoa;
Mirohondrohòna ny riaka sy izay mameno azy, mibitaha ny saha sy ny vokatra eo aminy, manakorà ny hazo ao an’ala.
Mba hitsena ny Tompo izay tamy, izay tamy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Tito

Tit. 2, 11-14


Efa niseho ho an’ny olona rehetra ny fahasoavan’Andriamanitra.

Efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra, sy ny filan’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’ olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, izay nanolo-Tena ho antsika, mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadio ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fifaliana lehibe no indro ambarako anareo: Mpamonjy no teraka ho anareo anio, dia i Kristy Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 1-14


Mpamonjy no teraka ho anareo.

Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra: dia fony i Sirinosy no govemoran’i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. Dia samy nankany amin’ny tanàna niaviany avy izy rehetra, mba hosoratana.

Ary i Jôsefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betilehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy, mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izay bevohoka. Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan’i Maria, ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranombahiny.

Ary tamin’izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. Ary nisy Anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr’Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. Fa hoy ny Anjely taminy: “Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo: fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao amin’ny fihinanam-bilona, ianareo”. Ary niaraka tamin’izay, nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe: “Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona ety ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony”.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Rahefa atao ny IZAHO MINO, ka tonga amin’ny hoe: ARY NAKA NOFO... OLOMBELONA, dia mandohalika lohalika roa raha hiraina, ny havanana ihany raha tsy hiraina.


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao alina ahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ety amintsika olombelona izao, dia aoka ny fontsika hirehidrehitra ho feno fitiavana sy fankasitrahana, koa hiray fo sy finoana isika, hitodika any amin’ilay Mpamonjy fahazavan’izao tontolo izao, hangataka aminy mba hoentiny eo amin’ny olombelona rehetra ny fitiavana sy ny fiadanana mampangetaheta antsika.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.

* Adidin’ny Eglizy mpitondra fahazavana eo amin’izao tontolo izao ny miantso lalandava hoe: «Fiadanana anie ho an’ny olona ety an-tany, fa nanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony». Koa mangataha mba ho heno ny feony, ary hisy vokany ny ezaka ataony.
* Mivavaha mba handrava tanteraka ny rindrin’ny fitiavan-tena sy ny fifankahalana mampisaratsaraka ny olombelona ny fahazavana sy ny fitiavana ary ny fiadanana entin’i Kristy.
* Fahantrana no nahaterahan’ny Mpamonjy, ary ny mahantra no nantsoiny voalohany; koa mangataha mba hotiavintsika manokana ny mahantra sy ny madinika, ary mba ho haintsika ny mitondra ny Evanjely ho fahazavana hanilo azy ireo.
* Mitalahoa amin’ny Tompo ho an’ireo olombelona namantsika mitady Mpamonjy, ary ho an’ireo tsy mahalala ny haben’ny famonjena atolotr’Andriamanitra azy amin’izao Noely izao.
* Isika vory eto, isika iray finoana: miaraha mitalaho amin’Andriamanitra, mba haninteraka antsika bebe kokoa hatrany ny fahazavana sy ny fiadanana entin’ny Noely.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Andriamanitra Tomponay ô, faly izahay mankalaza an’i Jesoa tonga ety aminay; koa mba hazavao koa ireo rehetra mankalaza ny Noely nefa tsy mahalala ny tena antony ary ireo tsy mahalala akory fa misy ny Noely, mba ho faly sy ho sambatra manana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra entinay mankalaza ny Noely; ka enga anie izao fifandraisanay aminao izao hanampy anay hitovy amin’ny Zanakao, fa ao aminy no iraisanay olombelona aminao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Nahaterahan’ny Tompo I.


Kômonio

Jo. 1, 14

Tonga nofo ny Teny ary nibanjina ny voninahiny izahay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo Andriamanitray, enga anie izahay faly mankalaza ny nahaterahan’ny Mpanavotra anay mba ho masim-piainana ka hiombona anjara aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0636