Sorona Masina ny Alarobia 22 desambra 2021

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

 

22 DESAMBRA

 

Tononkira fidirana

Salamo 23, 7

 

Andrao ny lohanareo, ry vavahady! Asandrato ny tatao, ry varavarana fahagola, hidiran’ny Mpanjaka be voninahitra.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nitsinjo ny olombelona tafahitsoka ao amin’ny fahafatesana Ianao ka sitrakao ny nanavotra azy tamin’ny fiavian’ny Zanakao Lahitokana; enga anie izahay mpanompo tsy mendrika Anao, nefa mankatò ny nahatongavany ho nofo, mba ho mendrika hiombona anjara amin’ny Zanakao Mpamonjy anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky voalohan’i Samoela

Samoela 1, 24-28

 

Velom-pisaorana i Annà noho ny nahaterahan’i Samoela.

Tamin’izany andro izany, nony efa notazan’i Annà, reniny, i Samoela, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’ombilahy telo sy lafarina iray efah ary divay eran’ny siny hoditra izy; dia nentiny nankao an-tranon’ny Tompo tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza. Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray, ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza. Ka hoy i Annà: “Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo. Ny hahazoako itý zaza itý no nangatahiko ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy. Koa intý koa aho, mahafoy azy ho an’ny Tompo; nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra.” Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: 1 Sam. 2, 1. 4-5. 6-7. 8

 

Fiv.: Ravo amin’ny Tompo ny foko!

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo! Ny lohako nitanondrika mitraka. Ka indro aho misoka-bava hiaro tena. Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka, ny osa kanefa miatrana aman-kery. Ny voky nasainy miasa mikarama, ny noana kanefa homana tsy miasa. Ny momba nomeny zanaka amam-para, kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo: mampidina sy mampakatra ny maty, mampanana sy mandevona ny Tompo, mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory, akariny avy eo am-pako ny mahantra, ka indro nomeny toerana mpanjaka, tolorany fiketrahana mihaja.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana.

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 46-56

 

Nahefa be tamiko Ilay Mahefa.

Tamin’izany andro izany, i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe: “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko; ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany, sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy; dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, miantehitra amin’ny fitiavanao izahay tafangona nitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao masina; ka enga anie hanadio anay ny fahasoavanao mba ho afa-doto izahay manompo Anao amin’izao Sorona masina izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II

 

Kômonio

Lk. 1, 46. 49

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko satria nanao zava-dehihe tamiko Ilay Mahefa.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ny Kômonio noraisinay anie, ry Tompo, hankahery anay hanao asa soa hoentinay mitsena ilay Mpamonjy ho avy sy mandray ny valisoa any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077