Sorona Masina ny Alahady 19 desambra 2021

ALAHADY FAHA-4 — Taona D fiavian’ny Tompo

INDRO TONGA NY MPAMONJY, EO AFOVOANTSIKA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 45, 8


Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon’orana, ary ny tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao; ary satria nolazain’ny Anjely ka fantatray fa tonga nofo i Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany hahamendrika anay hitsangan-ko velona amim-boninahitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Mikea Mpaminany

Mik. 5, 1-4a


Avy aminao no hipoitra Ilay hanjaka amin’i Israely.

Izao no lazain’ny Tompo: Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay. Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely. Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany. Izy no ho fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-6. 18-19


Fiv. Ry Tompo Andriamanitra ô, ampodio amin’ny toetra taloha izahay,
Ary ampamirapirato ny Tavanao dia ho voavonjy izahay.

Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely, ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry. Eny, fohazy ny herinao, tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena, mitsinjova avy any an-danitra, jereo ilay foto-boaloboka, karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao, homba an’ilay olona fiaronao, ilay zanak’olombelona omenao ny herinao. Izahay tsy handao Anao intsony; velomy izahay hiantso ny Anaranao.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 10, 5-10


Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao.

Ry kristianina havana, rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: “Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky — hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!” Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, — dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; — manaraka izany tohiziny hoe: Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa, ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 39-45


“Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?”

Tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy fantatr’ireo mpiara-belona taminy ny fihaonan’i Maria sy i Elizabeta; fa isika mahalala ny Mesia no miaraha mangataka mba ho hitan’izao tontolo izao miharihary ny fahatongavany ankehitriny.

Valy: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô.

* Mivavaha mba hahafantaran’ny Eglizy tsaratsara kokoa, hatrany fa ny anirahana azy dia tsy ny hampivavaka ny olombelona fotsiny, fa ny hampianatra azy hanao ny sitraky ny Ray.
* Mangataha ho an’ny renim-pianakaviana rehetra; mba hanahaka an-dry i Maria sy i Elizabeta izy, ka hahazo hafaliana ho afaka hanome zanaka ho iraky ny Mpamonjy ao amin’ny Eglizy.
* Isika faly amin’izao Noely efa akaiky izao, mivavaha ho an’ireo olona irery sy mijaly, ny marary, ny kilemaina, ny mahantra, ny antitra sy ny havantsika ory rehetra.
* Miaraha amin’i Masina Maria izay nitondra ny Mpamonjy tao am-bohòka; mba hahatsapa bebe kokoa isika iray fiangonana fa eto ampovoantsika i Kristy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Andriamanitra Andriananahary ô, Ianao naniraka ny Zanakao Lahy tokana teto amin’izao tontolo izao, mba hamonjy ny olombelona; koa ampio izahay ho faly handray Azy, sy handray ny fahasoavanao ary hitondra izany eo amin’ny manodidina anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, enga anie ireto fanatitra eto ambonin’ny ôtelinao ireto mba hohamasinin’ny herin’ny Fanahy Masina nanaloka an’i Masina Maria.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo II


Kômonio

Iz. 7, 14

Indro ilay Virjiny fa hitoe-Jaza, ka hiteraka Zazalahy ary ny anarany hatao hoe Emanoela.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hahazoanay hery ny nahaterahan’ny Zanakao Lahy tokana fa manafaka hanoanana anay amin’ny sakafo avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0592