Sorona Masina ny Zoma 17 desambra 2021

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

17 DESAMBRA


Tononkira fidirana

Iz. 49, 13


Hifaly anie ny lanitra, hiravo ny tany, fa ho avy ny Tompontsika hamindra fo amin’ny mahantrany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, nahary ny olombelona Ianao ary namonjy azy, ka sitrakao ny nakan’ny Teninao tonga nofo tao an-kibon’ilay Virjiny mandrakizay, henoy amin’ny fo antra ny vavaka ataonay: efa naka ny fomba maha-olombelona anay ny Zanakao Lahitokana, ka enga anie hampiombona anjara anay amin’ny maha-Andriamanitra Azy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Jenezy

Jen. 49, 2. 8-10


Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana.

Tamin’izany andro izany, namory ny zanany lahy i Jakôba ary nilaza taminy hoe : “Mivoria, ry zanakalahin’i Jakôba, ka mihainoa. Mihainoa an’i Israely rainareo. Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao ; ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao, ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao. Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka. Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, fandrin-diombavy, zovy no hanaitra azy? Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-piavin’i Silao: Izy no hotoavin’ny firenena.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8. 17


Fiv.: Ny rariny hamony amin’ny andron’ny Tompo, ary ny Fiadanana hitombo mandrakizay.

Andriamanitry ny fahamarinana ô, mba tolory ny andriana mpanapaka sy ny zanak’andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny!
Ka ny vohitra hitrotro fiadanana. Ny havoana hivimbina ny hitsiny. Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy. Ny mpamoritra kosa hofongorana.
Amin’ny androny hamony ny rariny, ary mandra-pahafatin’ny volana. Dia hisy fandriam-pahalemana, lavorary sy feno tanteraka!
Ranomasina no ho sisin-taniny, ary ny ony no ho valam-parihiny; ka ny rafiny ombam-pahavalony handohalika sy hilavo lefona
Ny Anarany hankalazaina sy haharitra toy ny masoandro. Ary indro hatao fitahiana, ireo foko manerana an-tany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 1, 1-17


Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, zanak’i Davida.

Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama. I Abrahama niteraka an’i Isaaka, i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna, i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba; i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta; i Obeda niteraka an’i Jese, i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka. I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà, i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama, i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase, i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda, i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra, i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matana, i Matana niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy. Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hamasino, ry Tompo, ny fanatitry ny Eglizinao, ka noho izao zava-masina hajainay izao, dia ataovy mendrika hohavaozin’ny mofo avy any an-danitra izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II


Kômonio

Akj. 2, 7

Indro ho avy Ilay nirin’ny firenena rehetra, ka ho feno voninahitra ny tranon’ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nandray ny fanomezanao masina izahay no mitalaho aminao, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie mba hirinay tokoa hirehitra ao am-ponay ny afo avy amin’ny Fanahinao ka hamirapiratra tahaka ny fanilo manjopiaka hoentinay mitsena an’i Kristy ilay Irakao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281