Sorona Masina ny Talata 14 desambra 2021

Herinandro fahatelo - Fahatongavan’ny Tompo

TALATA

Raha 17 desambra na aoriana dia jereo 17 desambra

Tononkira fidirana

Zak. 14, 5. 7


Indro ho avy ny Tompo hotronin’ny Olomasiny rehetra, ka hisy fahazavana lehibe amin’izany andro izany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, nataonao olom-baovao izahay tamin’ny alalan’ny Zanakao Lahitokana; koa mba topazo maso miantra fa efa namindranao fo, ary amin’izao fahatongavan’ny Zanakao izao dia mba diovy izahay ho afaka amin’ny lotom-pahotana rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Sofonia Mpaminany

Sofonia 3, 1-2. 9-13


Omena ny mahantra rehetra ny famonjena avy amin’ny Mesia.

Izao no lazain’ny Tompo: Loza ho an’ilay miodina sy voaloto, dia ny tanàna fampahoriana! Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy, tsy niankina tamin’ny Tompo, tsy nanatona an’Andriamaniny. Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’ny Tompo sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina. Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho Ahy. Amin’izany andro izany, tsy ho henatra ho anao intsony ny asanao rehetra izay nanotànao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina. Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny Anaran’ny Tompo. Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitàna eo am-bavany intsony izay leIa mandainga. Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 33, 2-3. 6-7. 17-18, 19 sy 23


Fiv.: Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia!
Mibanjìna Azy, fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy hisy ho voasazy iray mifefy aminy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 21, 28-32


Tonga teto i Joany, fa ny mpanota no nino azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: “Ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio. Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’, kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?” Hoy ireo: “Ny lahimatoa”, dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

2 Tim. 4, 8

Ho avy ilay Mpitsara marina handravaka fehiloha fahamarinana an’izay rehetra faly miandry Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167