Sorona Masina ny Asabotsy 11 desambra 2021

Herinandro faharoa - Fahatongavan’ny Tompo

SABOTSY

Tononkira fidirana

Salamo 79, 4. 2.


Avia, asehoy ny endrikao, ry Tompo, avia, ry Ilay mipetraka eo ambony Kerobima, avia, mba vonjeo izahay.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, hamiratra ao am-ponay anie ny hazavanao be voninahitra hahafaka anay amin’ny haizin’ny alina ka ny fiavian’ny Zanakao Lahitokana anie hampiharihary fa zanaky ny fahazavana izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Siràka

Ekl. 48, 1-4. 9-11


Dia niverina indray i Elia.

Nitsangana i Elia Mpaminany hoatra ny afo, ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny. Niantso mosary hamely an’i Israely izy, ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony. Nanakatona ny lanitra tamin’ny tenin’ny Tompo izy, ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa. Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin’ny fahagagana nataonao, ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao? Ianao nofaohina tamin’ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo: ianao voatendry ao amin’ny teny mafy an-tsoratra ho an’ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitony ny hatezerana alohan’ny hirehetany, hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen’i Jakôba indray. Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon’ny fitiavana an’Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19


Fiv.: Tompon’ny tafika ô, avia mampody anay, asehoy ny tavanao ho vonjinay.

Ry Mpiandry an’i Israely, mandrenesa; ry mipetraka eo ambony Kerobima, efa Anao ny voninahitra, asehoy. Dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Miverena, ry Andriamanitry ny tafika, mitsinjova avy eny an-danitra, zahao! Ilay foto-boaloboka tazano; mba ahio ny nambolen’ny tananao!
Tananao anie ka homba lalandava Ilay olona ipetrahan’ny tokinao, dia ilay zanak’olombelona voafidy, Ilay nomenao fahefana ombana hery. Izahay tsy mba handao Anao intsony fa velominao izay miantso ny Anaranao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 17, 10-13


Tonga i Elia fa tsy fantatry ny olona izy.

Tamin’izany andro izany, rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany, dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: “Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?” Ary namaly Izy ka nanao hoe: “Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona.” Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ho tontosa soa aman-tsara itý sorom-panompoana itý ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Apôk. 22,12

Indro ho avy haingana Aho, hoy ny Tompo, ary hitondra ny valin-kasasarana ka hamaly ny olona rehetra araka ny asany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629