Sorona Masina ny Talata 07 desambra 2021

Herinandro faharoa - Fahatongavan’ny Tompo

TALATA

Tononkira fidirana

Zak. 14, 5. 7


Indro ho avy ny Tompo hotronin’ny Olomasiny rehetra, ka hisy fahazavana lehibe amin’izany andro izany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, nambaranao eran’ny lafy valon’ny tany ny Mpamonjy nampanantenainao, koa mihanta aminao izahay: mba ataovy mientan-kafaliana ny fonay miandry Azy ho teraka amim-boninahitra.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 40, 1-11


Hampionona ny vahoakany Andriamanitra

“Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy Andriamanitrareo. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo, ny indroa heny valin’ny fahotany.” Injany misy feo miantso hoe: “Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra: ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba. Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny.” Injay misy feo manao hoe: “Miantsoa!” dia nisy namaly hoe: “Ahoana no antso hataoko?” — “Ahitra ihany ny nofo rehetra ary tahaka ny vonin-javatra eny antsaha ny hatsaran-tarehiny. Maina ny ahitra, malazo ny voniny rahefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo. Eny, ahitra ihany ny olombelona: maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.” Miakara eny an-tendrombohitra ianao izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: Indro ny Andriamanitrareo! Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny, ny sandriny mampiasa ny fahefana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany. Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 95, 1-2. 3 sy 10ad. 11-12. 13


Fiv.: Indro fa tonga ny Andriamanitsika miaraka amin’ny heriny.

Ikaloy ireo hira vaovao ho an’ny Tomponao ry manan’aina. Ny fisaorana aoka hanakoako. Isan’andro vaky dia torio tony vonjy nentiny lazao, mba handre daholo ny eran-tany.
Fa ny Tompo ihany no ambony, mahatahotra Izy noho ny hafa, ka variana erý ny firenena. Tsinontsinona avokoa, rey lahy ny andriamani-kafa tsy miteny, f’Izy irery no masi-mandidy.
He! ny Tompo irery no Mpanjaka. ’Tony tany: vitany mijoro. Zany rariny entiny mitsara. Mifalia, ry lanitra sy tany. Aoka hidobodoboka ny riaka ka hifalihavanja izany saha.
Mandihiza ianao, ry hazo an’ala. Anoloan’ny Tompo: indro Izy mba hitsara ’zao tontolo izao. ’Tony tany itony hozakainy. Ny ambanilanitra hotsarainy, ilazany «marina» hatrany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 18, 12-11


Tsy tian’Andriamanitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo; ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

2 Tim. 4, 8

Ho avy ilay Mpitsara marina handravaka fehiloha fahamarinana an’ireo rehetra faly miandry Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082