Sorona Masina ny Alatsinainy 06 desambra 2021

Herinandro faharoa - Fahatongavan’ny Tompo

ALATSINAINY

Tononkira fidirana

Jer. 31, 10 ; Iz. 35, 4


Henoy ny tenin’ny Tompo, ry firenena, ary torio any amin’ny fara vazan-tany hoe: aza mitebiteby intsony fa ho avy ny Mpanavotra antsika.


Fangatahana

Hisondrotra eo anatrehanao anie, ry Tompo, ny tonom-bavakay mitalaho aminao: mba hadio tanteraka ny fonay mpanomponao maniry hahatratra ny fankalazana ny nahaterahan’ny Zanakao Lahitokana.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 35, 1-10


Andriamanitra mihitsy no ho avy ka hamonjy anareo.

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo, ary hamony tahaka ny narisisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika. Hatanjaho ny tanana osa, herezo ny lohalika mangozohozo! Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: “Makà hery fa aza matahotra. Intý ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, Tenany no avy, dia hamonjy anareo.” Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra, ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo. Ny tany hay, hanjary ho farihy, ary ny tany mangentana ho loharano. Ny lavaka fonenan’ny amboadia hanjary saham-bolotara aman-jozoro. Hisy arabe, hisy lalana, izay hatao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily. Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray; ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy, fa ny sento amam-pijaliana handositra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Intý ny Andriamanitsika izay tonga hamonjy antsika.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo mirary fiadanana ho an’ireo tiany, mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy honenan’ny lazany etý amintsika. Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany, ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany. Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo, izay hampamokatra tsara ny tany. Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 17-26


Nahita zava-mahagaga isika androany.

Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nipetraka nanodidina Azy teo koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin’i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin’ny Tompo. Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany; fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan’ny olona, ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy ary nanesorana ny tafo dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany. Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: “Ralehilahy, voavela ny helokao.” Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakampo nanao hoe: “Iza moa itý miteny ratsy toy izao itý? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.” Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy: “Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: Voavela ny helokao; sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etý an-tany ny Zanak’Olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo imason’ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany ka lasa nody any an-tranony nankalaza an’Andriamanitra. Nitolagaga avokoa izy rehetra ka sady nankalaza an’Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: “Nahita zava-mahagaga isika androany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: raiso ny fanatitray nofantenana tamin’ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay etý an-tany no sady hampahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Sal. 105, 4-5 ; Iz. 38, 3

Avia, ry Tompo, vangio izahay; itondrao fiadanana, dia hifaly tanteraka eo anatrehanao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon’ny zava-mandalo mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra, ary hifikiranay amin’ny harena maharitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099