Sorona Masina ny Alahady 05 desambra 2021

ALAHADY FAHA-2 fiavian’ny Tompo — Taona D

MATOKIA, MIFALIA FA MPAMONJY ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 30, 19. 30

 

Indro tamy hanavotra ny firenen-drehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siôna; hampanakoako ny feony be voninahitra Izy, ary ho dibo-kafaliana ny fonareo.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, enga anie izahay midodododo mitsena ny Zanakao, mba tsy ho voasakan’ny asa aman-draharaha eto an-tany, fa hotarihin’ny fahendrena avy any an-danitra, ka hiray lova amin’i Kristy mandrakizay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Barôka Mpaminany

Bar. 5, 1-9

 

Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.

Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema; fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy, mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra, ataovy ao an-dohanao ny hamamian’ny voninahitr’Ilay mandrakizay. Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra. Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao: “Fiadanam-pahamarinana”, “Famiratam-pitiavam-bavaka”. Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana, ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin’Ilay Masina, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo. Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo; fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao, hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka. Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hahamarintampona ny tany, mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra. Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza, nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny didin’Andriamanitra. Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely, amin’ny fahazavan’ny voninahiny, hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6.

 

Fiv.: Eny nanao zava-dehibe ho antsika tokoa ny Tompo; ka revon-kafaliana isika.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!

Ireo firenena kosa nitakoritsika:
«Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!»
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory ity hafalianay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 1, 4-6. 8-11

 

Dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo.

Ry kristianina havana, mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy. Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho. Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo, mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo, ary ho feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 3, 1-6

 

Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena, ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, maro ny vato misakana ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ao amintsika sy eo amin’izao tontolo izao; koa isika iray finoana sy iray fanantenana, miaraha mivavaka hahatongavany sy hanjakany marina tokoa.

Valy: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

* Maro ankehitriny ny olona sy ny firenena miandry Mpanavotra; koa mivavaha ho an’ny Pretra mba hahatohina ny fon’ny olombelona izy ary hahay hampihaona azy amin’Andriamanitra, Loharanon’ny Fahafahana rehetra.
* Mangetaheta fandriam-pahalemana maharitra izao tontolo izao, koa mangataha amin’ny Tompo mba hiara-miezaka sy hampiray ny heriny ny mpitondra vahoaka, mba hahafoana ny adim-pirenena vokatry ny fifanolanana.
* Naniraka Mpamonjy hanafaka ny vahoakany Andriamanitra; koa angataho mba hiantra sy hanafaka an’izay voan’ny tsindry hazo lena sy anaovana ny tsy rariny ary ambakain’ny hafa sy andevoziny.
* Ireo havantsika mivavaka mbola tsy mahalala ny Mesia, angataho mba hahitsin’Andriamanitra ny lalany miolikolika, hototofany ny hantsana nampisaraka azy amin’Izy Tompo, harodany ny rindrina manakana azy tsy ho tonga eo amin’ny Fahamarinana.
* Matetika isika tsy mahatozo amin’izay iezahana, sy mora mikemo amin’ny sarotra; koa mangataha mba hampian’Andriamanitra isika iray fiangonana amin’ity taona manomboka ity: hafana fo tokoa, sy hitombo finoana ary hiray hina.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ray ô, alao ny sakana rehetra eo amin’ny lalana ankanesanay any aminao, ary ampio izahay tsy hivilivily, fa hanaraka ny lalana soritanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hamoram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fiavian’ny Tompo I

 

Kômonio

Bar. 5, 5; 4, 36

 

Mitsangàna, ry Jerosalema, ka miakara amin’ny avo, ary tazano fa iry tamy manatona anao Ilay hafaliana avy amin’ny Tompo Andriamanitrao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany, mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao, sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885