Sorona Masina ny Alarobia 01 desambra 2021

Herinandro voalohany - Fahatongavan’ny Tompo

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Heb. 2, 3 ; 1 Kor. 4, 5


Ho avy ny Tompo ary tsy ho ela intsony, hiseho amin’ny firenena rehetra Izy, dia hampiharihary izay nafenin’ny haizina.


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, mba omano amin’ny herinao masina ny fonay, ka rahefa tonga i Kristy Zanakao dia ampio izahay ho mendrika hiombona anjara amin’ny fiainana mandrakizay ary handray ny hanina masina avy eo am-pelatanany.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 25, 6-10


Manomana fanasana ny Tompo ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tany aman-danitra, dia hanomana fanasana amin’itý tendrombohitra itý ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana. Horovitiny eto amin’itý tendrombohitra itý ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra. Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay. Ny Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra, ny henatry ny vahoakany hesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny ny Tompo. Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: “Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia ny Tompo izay nantenaintsika. Aoka isika hanao hafaliana sy firavoravoana amin’ny famonjeny.” Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’itý tendrombohitra itý.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6


Fiv.: Ny tranon’ny Tompo no honenako amin’ny taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho. Izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy, tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza, satria Ianao miaraka amiko; ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho: ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona. Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin’ny fiainana tontolo. Ny tranon’ny Tompo no fonenana amin’ny taona maro mifandimby.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 15, 29-37


Nanasitrana olona maro i Jesoa ary nampitombo ny mofo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo. Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny, hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo. Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe: “Mampalahelo Ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy, tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina sao dia reraka eny an-dalana izy.” Fa hoy ny mpianany taminy: “Aiza no hahazoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an’efitra?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Manana mofo firy ianareo”? Hoy ireo taminy: “Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.” Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakìny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ho tontosa soa aman-tsara itý sorom-panompoana itý ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Iz. 40, 10 ; 34, 5.

Indro fa tonga ny Tompo mahery, hampahiratra ny mason’ny mpanompony.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1807