Sorona Masina ny Alakamisy 11 novambra 2021

Herinandro faha-32 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 87, 3


Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Filemôna

Filem. 7-20


Raiso izy, tsy toy ny mpanompo intsony fa tahaka ny rahalahy malala.

Ry malala, mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina. Koa amin’izany na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin’i Kristy amin’izay tokony hataonao, dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr’i Kristy koa ankehitriny; dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho. Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin’ny aiko. Nikasa hihazona azy tatý amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely; saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa. Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo na araka ny Tompo. Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy; ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany. Izaho Paoly no manoratra itý amin’ny tanako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako ianao, ary ahy mbamin’ny tenanao aza. Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao, ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10


Fiv.: Sambatra izay manana ho mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba.

Tompo nanao ny lanitra sy ny tany, sy manome rariny ny ampahoriana! Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika, Tompo mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina, fa mampiviona kosa ny olon-dratsy; Tompo manjaka mandrakizay: dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fahendrena

Fahendrena 7, 22 — 8, 1


Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay ny fahendrena ary fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina.

Ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina, masina, tokana, maro asa, tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka, tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly, tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona, manao soa, tsara fo ho an’ny olombelona, tsy manam-piovana, matoky, miadana, mahefa ny zavatra rehetra, mitandrina ny zavatra rehetra, maninteraka ny fanahy rehetra, ny manan-tsaina, ny madio, ary ny faran’izay maranitra indrindra. Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena, maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy, noho ny hadiovany.

Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy, zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana. Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina, ary endriky ny hatsaram-pony.

Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra; tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra, mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra amin’ny taona mifandimby, ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra sy ho mpaminany. Fa tsy misy tian’Andriamanitra afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena. Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy, sy noho ny filantoan’ny kintana. Raha ampitahaina aminy ny mazava, mbola ihoarany; satria ny mazava, dimbiasan’ny alina; fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny Fahendrena.

Ny Fahendrena mahatratra amim-pahefana ny fara vazan-tany hatramin’ny ilany iray ka hatramin’ny ilany iray hafa, ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175


Fiv.: Mandrakizay ny teninao, ry Tompo.

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo: eny, mateza toy ny lanitra. Amin’ny taona mifandimby ny fahamarinanao, tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.
Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany ny zava-drehetra izay samy mpanomponao! Vavahady mazava ny teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao; ampianaro ahy ny fitsaranao! Veloma anie ny aiko hiderako Anao! Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 20-25


Indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra, ka namaly hoe: “Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hataon’ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.” Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona, fa tsy hahita ianareo. Hilazan’ny olona ianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory. Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona amin’ny androny. Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin’itý taranaka itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.


na hoe :

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092