Sorona Masina ny Alahady 07 novambra 2021

ALAHADY FAHA-32 mandavantaona — B

IZAY TIA, MAHAFOY

Tononkira fidirana

Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rehefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 17, 10-16

Nanao mofo kely tamin’ny lafarîna eran’ny tanana ila izy ary nitondrany i Elia.

Tamin’izany andro izany, dia niainga nankany Sareftà i Elia mpaminany. Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: “Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko”. Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: “Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha sitrakao”. Fa hoy ny navaliny: “Velona ny Tompo Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarîna eran-tanana ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay”. Fa hoy i Elia taminy: “Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankaty amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao ianao. Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Ny lafarîna ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory, mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany”. Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary î Elia koa. Ny lafarîna tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’Andriamanitra, nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10

 

Fiv.: Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Izy manome rariny izay ampahoriana. Ilay manome sakafo ny noana, no Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika. Tompo mpiaro ny vahiny. Tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena, Tompo tia ny olo-marina.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby, ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb 9, 24-28

 

Nanolotra ny Tenany indray mandeha i Kristy mba hanala ny fahotan’ny maro.

Ry kristianina havana, tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny. Ary tsy mba toy ny Mpisorombe niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika; raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hanongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona. Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany, no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha monja koa, mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany, mba hamonjy izay miandry Azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 38-44 (lava); 41-44 (fohy kokoa)

Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.

Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa tamin’ny fampianarana nataony tamin’ny vahoaka: “Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa. Ary …

 

(Eto no manomboka raha ny fohy no atao)

 

… indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tia ny rendrarendra ivelany ny olombelona matetika; koa mivavaha mba hositranin’Andriamanitra izao tontolo izao ho afaka amin’ny fihatsarambelatsihy sy ny ravoravo atentina.

Valy: Tompo ô, Ianao no ianteherako. Ianao, Ianao Tompo ô.

* Mivavaha mba ho foana ao amin’ny Eglizy ny saina-mpanora-dalàna mpihatsaravelatsihy na mpanatsikera befahatany, ka tia ady hevitra tsy misy farany momba ny lalàna sy ny fitsipika.
* Indraindray ny mpanan-karena manampò fa mahafoy be rehefa manome misimisy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba samy hatorony ny fitiavana isika, fitiavana tsy asiana fetra ary tsy arahina avonavona.
* Matetika ny olona manana andraikitra lehibe, maniry voninahitra, maniry hohajaina; koa mangataha amin’Andriamanitra mba tsy ireny zava-mandalo sy mora simba ireny no hokendreny.
* Maro ny mpiasa sy ny mahantra no mahafoy na izay ivelomany aza, hamonjeny izay mijaly noho izy; koa mivavaha mba honeran’Andriamanitra zato heny izay afoy toy izany.
* Rahefa mivavaka ho an’olona isika, na manasoa olona na manampy izay mijaly, matetika maniry ho fantatra sy ho hita; koa mangataha mba ho an’Andriamanitra ihany no hiasantsika.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, aza avela hiavonavona izahay, aza avela hihatsaravelatsihy, aza avela hila dera; fa ampio ho mpivavaka marina sy hahay hahafoy ary hikendry izay mahafaly Anao mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto, fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra,

 

na hoe:

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao: enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay, fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515