Sorona Masina ny Asabotsy 06 novambra 2021

Herinandro faha-31 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23


Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 4, 10-19


Mahefa ny zavatra rehetra aho amin’Ilay mankahery ahy.

Ry kristianina havana, nahazo hafaliana lehibe ao amin’ny Tompo aho, fa indro hitako mamony indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy. Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin’izay ananako aho, ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona. Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy; nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. Ary fantatrareo koa, ry Filipianina, fa tamin’ny niandohan’ny Evanjely, rahefa niala tany Masedônia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin’ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy ianareo ihany. Fony aho tany Tesalônika aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa. Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko. Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana. Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombany voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 111, 1-2. 5-6. 8a sy 9


Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay; malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay, ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 16, 3-9. 16. 22-27


Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.

Ry kristianina havana, veloma any amin’i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy; nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin’ny jentily koa, ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin’i Epeneto malalako, izay santatr’i Asia ho an’i Kristy. Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo. Veloma any amin’i Andrôniky sy Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly no tao amin’i Kristy talohako aza. Veloma any amin’i Anfiasa, malalako ao amin’ny Tompo. Veloma any amin’i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy, sy i Stakisa malalako. Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra. Izaho Tersiosa, izay nanoratra itý taratasy itý koa, manao veloma anareo ao amin’ny Tompo. Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosa rahalahy. Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.

Ary ho an’ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay (fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana) dia ho an’Andriamanitra, ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11


Fiv.: Midera ny Anaranao mandrakizay aho, ry Tompo.

na: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo.

na: Ny Anaranao, ry Tompo, no omem-boninahitra.

Misaotra Anao isan’andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay. Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra; tsy azo takarina ny halehibeny.
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao, sy mankalaza ny asanao mahery, manambara ny harevaky ny voninahitrao, mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao. Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 16, 9-15


Raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”

Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy. Fa hoy Izy tamin’izy ireo: “Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 15, 11

Ny Lalan’ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: tahaka Ahy nirahin’ny Ray izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205