Sorona Masina ny Alatsinainy 01 novambra 2021

1 NOVAMBRA


Fankalazana manetriketrika

NY OLOMASINA REHETRA

Tononkira fidirana

 

Mifalia ao amin’ny Tompo isika rehetra, amin’izao andro fankalazana ny Olomasina rehetra izao. Fa ravoravo ny Anjely ary indray miredona, mihoby ny Zanak’Andriamanitra.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, nomenao anay ity andro ity hanomezana voninahitra ny Olomasina rehetra; ary tsy tambo isaina izy mivavaka ho anay, koa ampahazoy anay ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 7, 2-4. 9-14

Nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra.

Izaho Joany dia nahita Anjely iray hafa, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina hanimba ny tany aman-dranomasina, nanao hoe: “Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin’ny handrin’ny mpanompon’ny Andriamanitsika”. Ary reko ny isan’izay voaisy fitomboka tamin’ny fokon’i Israely rehetra, ka efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izy. Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. Niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe: “An’Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry ny famonjena!” Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra, ny Anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra nanao hoe: “Amen! An’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana ary ny hery!” Tamin’izany ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: “Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no niaviany?” Dia hoy ny navaliko azy: “Ianao no mahalala, Tompoko”. Ary hoy izy tamiko: “Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy nanadio ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry" .

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 23, 1-2. 3-4ab. 5-6


Fiv.: Izany no dimbin’ireo izay nizaha ny Endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy: Izy nanorina azy teo ambony ranomasina, nampitoetra azy teo ambonin’ny ony.
Iza no hiakatra ao am-bohitry ny Tompo? Zovy no honina ao an-toerany masina? Izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa namana.
Izy no tahin’ny Tompo, vonjen’ilay Andriamanitra Marina, taranaka mitady ny Tavany, mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy Voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 1-3


Hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika.

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady tena zanany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany mba ho madio tahaka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 1-12a

Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, nony nahita ny vahoaka nanaraka Azy, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, miraisa fo amin’ireo havana aman-tsakaizantsika tety ka efa any an-danitra, sy amin’ireo Olomasina rehetra efa nialoha antsika any, mba hiombon-dova aminy anie isika indray andro any, ka tsy hisara-mianakavy; ary mivavaha ho an’ny olombelona rehetra mba samy hanamasin-tena sy hanamasina ny ety an-tany.

Valy: Jesoa, Jesoa, ny herin’ny teninao anie hanova ny fiainanay.

* Mivavaha mba ho lavorary sy hiainana tanteraka ao amin’ny Eglizy ny Evanjely momba ny hasambarana, ary mba hiezahan’ny kristianina rehetra hampidirina amin’ny fiainany.
* Adidin’ireo mpiandraikitra ny raharaha eto an-tany ny manao izay hahasambatra ny olombelona; koa mivavaha mba samy hiezaka sy tsy hisatry fanahy amin’ny fanaovana ny adidiny.
* Ny mahantra no voalohany antsoin’i Jesoa hoe sambatra; koa mivavaha mba ho ren’izay rehetra mijaly ny antsony, nefa tsy hampionona azy fotsiny fa handrisika azy hiavo-tena.
* Mivavaha ho an’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, mba hahazo antoka amin’Andriamanitra izy, fa mbola hitsahatra ny tsy rariny sy ny hasomparana.
* Mifampivavaha mba samy hiezaka isika iray fiangonana, ho malemy fanahy sy ho mpampihavana ary ho mpikatroka hampanjaka ny rariny, haha-taratry ny lanitra ny ety an-tany.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, nosoritanao ao amin’ny toriteny teo an-tendrombohitra ny fiainana tokony hotratrarinay; koa mba ataovy tsaroanay mandrakariva sy harahinay amin-kafaliana izay rehetra voalazanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Hankasitrahinao anie, ry Tompo, ireto fanatitra fankalazana ny Olomasina rehetra; mino izahay fa efa azony antoka ny ho velona mandrakizay, ka enga anie izy ho hitanay fa manampy anay hahazo ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Satria anio izahay dia asainao mankalaza an’i Jerosalema any an-danitra ilay tanàna renivohitray, fa any ireo tapakay sy namanay no efa midera Anao mandrakizay, any koa no ikezahanay haleha entanin’ny finoana sy miara-paly midera an’ireo zanaky ny Eglizy efa any an-danitra, nomenao anay osa sy malemy hanampy anay sy halainay tahaka.

Ka izany no iarahanay amin’ny Anjely miara-mankalaza Anao, miantsa manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .


Kômonio

Mt. 5, 8-10

Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra ny enjehina noho ny amin’ny rariny, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitsaoka Anao izahay, ry Andriamanitra ambony sy mahagaga, masina sy hany fototry ny fahamasinan’ny Olomasina, ary mitalaho ny famindram-ponao: enga anie ho tonga lafatra ny fahamasinanay, ka ho tia Anao tanteraka izahay, ary hiainga avy eto amin’ny sakafon’ny mpivahiny, ho any amin’ny fanasana any an-danitra tanindrazanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1195