Sorona Masina ny Talata 26 oktobra 2021

Herinandro faha-30 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 5, 21-33


Lehibe io zava-miafina io fa mankamin’i Kristy sy ny Eglizy.

Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy no lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy hahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny rano sy ny teny izy, ka hanolotra azy ho an’ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy, satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5


Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny Lalany! Mahazo voka-tsoa amin’ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao solofon’ôliva manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 18-25


Indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny, fa noho Ilay nampanompo azy, nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalovana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao. Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6


Fiv.: Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo tamin’i Siôna ny Tompo, dia ohatra nanonofy izahay! Tonga feno hehy ny vavanay; feno hira ny lelanay!
Tamin’izay ireo firenena nitakoritsika hoe: Lalina itý nataon’ny Tompo taminy! Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay: ka faly moa izahay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay, toy ny ranotrambo any Atsimo! Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany manipy ny voa. Fa nony miverina, velona akora milanja ny vokatra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 18-21


Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.” Dia hoy indray Izy: “Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra? Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082