Sorona Masina ny Alarobia 20 oktobra 2021

Herinandro faha-29 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8


Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 3, 2-12


Nampahafantarina ny zanak’olombelona ilay zava-miafina tao amin’i Kristy ka ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ao aminy.

Ry kristianina havana, raha mba renareo ihany ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, izany hoe, ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nolazaiko tamin’ny teny fohifohy teo. Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin’i Kristy, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha, toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny Apôstôliny masina sy ny mpaminaniny ao amin’ny Fanahy, dia izao: Ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody ao amin’i Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely, ary izaho no voatendry ho mpandraharaha amin’izany, araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra nomena ahy tamin’ny herin’ny fahefany. Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny jentily ny herin’i Kristy tsy hita pesimpesenina, sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra. Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy, ka tonga fantatr’ireo fifehezana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra, araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika, izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana noho ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Iz. 12, 24. 4bde. 54


Fiv.: Hanovo rano an-kafaliana ianareo.

Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko. Matoky aho mijoro fa tsy matahotra! Ny Tompo no hery sy reharehako. Fa Izy no vonjy sy fialofako. Avia atý hanovo amin-kafaliana. Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.
Amin’izany andro izany samia manezaka. Derao Andriamanitra, antsoy ny Anarany. Torio ny vahoaka ny zava-bitany. Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.
Ambony ny Tompo ka dia nasehony. Lazao an’izany ny vazan-taniny. Ianao, ry Siôna hitotorebika, fa Tompo lehibe Izy sady masina.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 6, 12-18


Atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray.

Ry kristianina havana, aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty amin’ny fanarahana ny filan-dratsiny ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana. Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany! Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana? Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; ary rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie, Andriamanitra!


Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8


Fiv.: Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely! raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsampazan’ireny, dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.
Ho nadifotry ny rano isika; ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika! Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara! Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny!
Toy ny fody afa-pandrika harato isika: rovitra ny harato ka afaka isika! Ny Fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo, Ilay nanao ny Lanitra sy ny tany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 39-48


Izay nomena be no hitakiana be.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: “Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona.” Dia hoy i Piera taminy: “Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?” Ary hoy ny Tompo: “Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’Olona mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0435