Sorona Masina ny Zoma 15 oktobra 2021

Herinandro faha-28 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4


Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 1, 11-14


Nanantena an’i Kristy isika ary nasiana ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina ianareo.

Ry kristianina havana, tao amin’i Kristy no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo. Tao aminy ianareo no nino, rahefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, sy santatry ny lovantsika, mandrapahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 1-2. 4-5. 12-13


Fiv.: Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
Sambatra ny firenena tahin’ny Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo no mitazana: hitany avokoa ny zanak’olombelona.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 4, 1-8


Nino an’Andriamanitra i Abrahama ka izany no notanana ho fahamarinany.

Ry kristianina havana, inona àry no holazaintsika ny amin’i Abrahama razantsika, fa azony araka ny nofo? Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra. Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany. Satria amin’izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa; ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra. Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe: Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 11


Fiv.: Ianao no fiereko miaro amin’ny loza.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota! Eny, sambatra ny olona tsy itanan’ny Tompo hadisoana sy tsy misy fitaka eo am-bava!
Koa nitsorako taminao ny otako; tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho: dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!
Mifalia ao amin’ny Tompo! miravoa, ry olo-marina! Mihobia avokoa, ry mahitsy fo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 1-7


Na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

Tamin’izany andro izany, tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: “Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina dia ho re ao amin’ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano, dia hotorìna eny an-tafon-trano. Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe rahefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, matahora azy. Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008