Sorona Masina ny Alarobia 13 oktobra 2021

Herinandro faha-28 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4

 

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 5, 18-25

 

Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony tamin’ny Hazofijaliana.

Ry kristianina havana, raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony. Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onona; tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo. Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana. Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

 

Fiv.: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny lalan’ny Tompo no sitrany, ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo, ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 2, 2-11

 

Haja amam-boninahitra ho an’izay manao ny tsara: ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa.

Tsy azo alàn-tsiny ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao, fa amin’ny fitsaranao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara. Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran’Andriamanitra an’izay manao toy izany; ka moa ataonao va, ry olona, fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra? Sa, saingy be famindram-po ny fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e! dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.

Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy, dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa; fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara, dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa, satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 61, 2-3. 6-7. 9

 

Fiv.: Ianao mamaly ny olona araka ny asany.

Ao amin’Andriamanitra no iadanan’ny fanahiko. Avy aminy tokoa no nahazoako fanavotana, ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko, sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana. Mijoro tsy hihontsona aho fa Izy re no rovako.
Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana, ao amin’Andriamanitra izay antenaiko fatratra, ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko. Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana, mijoro tsy hihontsona aho; fa Izy re no rovako.
Aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany, dia Izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 42-46

 

Loza ho anareo, Farisianina, fa mampitondra entan-tsy zaka ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe: “Loza ho anareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa. Loza ho anareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo. Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.” Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.” Fa hoy i Jesoa: “Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

 

na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077