Sorona Masina ny Alatsinainy 11 oktobra 2021

Herinandro faha-28 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4


Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 1, 1-7


I Jesoa Kristy no nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay, mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana.

Izaho Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra, — izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina, momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan-ko velona araka ny fanahin’ny fahamasinana), dia i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy: — mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4


Fiv.: Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy azy ny tanany havanana, nanampy azy ny sandriny masina! Ny Tompo nanambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena.
Tsarovy, ry Tranon’i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany. Zahao ry vazan-tany rehetra ny famonjen’ny Andriamanitray.
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo, mientàna, mihobia sy miantsà. Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna, amin’antsiva sy feon’anjomara.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 29-42


Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany, nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe: “Taranaka ratsy itý taranaka itý; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany. Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý. Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto. Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083