Sorona Masina ny Alahady 10 oktobra 2021

ALAHADY FAHA-28 mandavantaona — B

METY HISAKANA TSY HO TAFIDITRA ANY AN-DANITRA NY HARENA

Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao, sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 17, 7-11

Nataoko tsy misy vidiny ny harena miolotra amin’ny fahendrena.

Nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina; niantso aho, ka tonga tamiko ny Fanahy Fahendrena. Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra; ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin’izany. Tsy nampitovîko taminy, ny vato saro-bidy indrindra; fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin’izao tontolo izao miolotra aminy, ary tsy maintsy ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy. Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy; naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana, satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony. Tonga tamiko miaraka aminy ny soa rehetra; ary harena tsy hita lany, no eo an-tanany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 89, 12-13. 14-15. 16-17


Fiv.: Hetsaho amin’ny hatsaram-ponao izahay ka hihoby sy hifaly.

Asehoy ny tokony ho fanisanay ny andronay, dia mba hisy fahendrena ao am-ponay. Miverena, Tompo ô! — Mandra-pahoviana? Aoka Ianao hilefaka amin’ny olonao!
Hetsaho faingana amin’ny fitiavanao izahay, ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa. Araka ny taona sy ny andro nanasazianao no aoka hampifalianao anay.
Asehoy ny mpanomponao ny asanao; ny voninahitrao asehoy ny zanany. Tongava ao aminay ny hamamian’ny Tompo! Hamafiso ny asan’ny tananao!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 4, 12-13


Fantatry ny tenin’Andriamanitra mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Ry kristianina havana, velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo. Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika, ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 17-30 (lava) ; na 17-27 (fohy kokoa)

Amidio ny fanananao rehetra, ary avia manaraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany, ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, aza manambaka, manajà ny rainao aman-dreninao”. Dia hoy ny navaliny Azy: “Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany”. Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: “Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”. Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: “Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!” Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: “Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza àry no mety ho voavonjy?” Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: “Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra”.


Mijanona eo raha ny fohy no atao, tohizina kosa raha ny lava.


Ary hoy i Piera taminy: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao”. Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, miaraha isika mivavaka, mba hangataka amin’Andriamanitra hatorony ny tena harena marina, ary homeny hery hanarahana ny lalana nosoritany, na sarotra sy manahirana aza.

Valy: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza!

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba hahatafita ny tenin’Andriamanitra nanirahana azy izy, hamelona sy hankahery ny fon’ny olombelona rehetra.
* Mivavaha ho an’ny mpanan-karena mba hohazavain’Andriamanitra ny sainy ary mba hotohanany ny herim-pony, ka tsy handalàny vola aman-karena ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.
* Mivavaha ho an’ireo tovolahy sy tovovavy antsoin’i Jesoa hanaraka Azy sy hanokan-tena ho Azy, mba tsy ho voasakan’ny fahafinaretana sy ny vola ary ny voninahitra eto an-tany, ny anjara soa nomanin’Andriamanitra ho azy.
* Mivavaha ho an’ny mpamboly sy ny mpiasa rehetra mba ho be ny vokatry ny hasasarany ary hody ventiny ny rano nantsakaina, hifanampian’ny olombelona rehetra.
* Ary isika tafangona eto, mivavaha mba hikatsaka ny sitraky ny Tompo lalandava, ary mba hanan-kery handeha amin’izay hiantsoany antsika, mandritra ity herinandro manomboka ity.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, nampisehoanao fitiavana ilay tovolahy mpanan-karena, ary fantatray fa tianao tsirairay koa izahay; koa atoroy anay ny lalana tianao hizoranay, ary ampio izahay handresy ny fitiavan-tena sy hahay hamaly fitiavana ny fitiavanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rehefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1902