Sorona Masina ny Asabotsy 09 oktobra 2021

Herinandro faha-27 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11


Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Joely Mpaminany

Joel. 4, 12-21


Raiso ny antsy fijinjana, fa masaka ny vary.

Izao no lazain’ny Tompo: Aoka hitsangana ny firenena ary aoka hiakatra izy ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata! Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina. Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary ; avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika; satria be ny haratsian’izy ireo. Vahoaka be, vahoaka be, ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’ny Tompo ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana! Ny masoandro amam-bolana, mihamaizina, afaka amin’ny kintana ny famirapiratany. Hierona avy ao Siôna ny Tompo, ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy; hihorohoro ny tany aman-danitra. Nefa ny Tompo no ho fialofana ho an’ny vahoakany, ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely. Dia ho fantatrareo fa Tompo Andriamanitrareo Aho, izay monina ao Siôna tendrombohitro masina; ho fitoerana masina i Jerosalema, ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony. Amin’izany andro izany, dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao; ny havoana handriaka ronono; ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan’ny rano avokoa. Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ny Tompo, ka handena ny lohasahan’i Akasià. I Ejipta kosa hanjary tany lao, i Edôma ho efitra faharavana, noho ny fahasiahana namelezany ny taranak’i Jodà, fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo. Ary i Jodà, honenana mandrakizay, ary i Jerosalema koa, mandritra ny taona mifandimby. Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako. Dia honina ao Siôna Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12


Fiv.: Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo.

Aoka hifaly izany tany, fa manjaka izao ny Tompo; koa samia manao korana ianareo nosy maro; fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka, e! ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro, tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa. Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara; voninahiny tazàno hita mason’ny vahoaka.
Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no tràny, ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra. Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo! Eny, masina ny Anarany, tongava ianao hisaotra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 27-28


Sambatra ny kibo izay nitondra Anao! Fa vao mainka sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra Anao, sy ny nono izay ninonoanao!” — “Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215