Sorona Masina ny Alakamisy 07 oktobra 2021

Herinandro faha-27 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11


Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Malakia Mpaminany

Malak. 3, 13-20a


Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.

Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo. Ary hoy ianareo: “Inona no resakay momba Anao?” Izao no nolazainareo: “Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika? Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra; fa ambinina izay manao ny ratsy; maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.” Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra, dia samy niresaka tamin’ny namany avy. Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany. Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika, ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo, ary ho feno fitiavana azy Aho ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany. Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako, dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana, ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6


Fiv.: Sambatra ny olona mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan’ny mpanota kosa mamery


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 5-13


Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’, ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’ Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohàna. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohàna. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735