Sorona Masina ny Talata 28 septambra 2021

Herinandro faha-26 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42


Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jôba

Jôb. 3, 1-3. 11-17. 20-23


Nahoana no atao mahita masoandro ny ory?

Niloa-bava i Jôba ary nanozona ny andro nahaterahany izy. Nanomboka niteny i Jôba nanao hoe: “Ho foana anie ny andro nahaterahako, mbamin’ny alina nanao hoe: ‘Misy olona iray vao torontoronina.’ Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka! Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo! Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo? Ary nahoana no misy nono roa hotsentsefiko? Fa toy izay aho efa nandry ary niadana, efa natory sy niala sasatra, miaraka amin’ireo mpanjaka sy lehiben’ny tany, izay efa nahavita fasan-dehibe ho an’ny tenany; sy amin’ireo andrian-dahy be volamena, nameno volafotsy ny fonenany. Na hoe: tsy ho nisy aho, toy ireo tsy tonga volana tsy fantatra; sy toy ireo zaza tsy nahita masoandro. Any, tsy manao an-keriny intsony ny ratsy fanahy; any, miala sasatra ny olona lany hery. Nahoana no atao mahita masoandro ny ory, sy omena ny aina ireo vonton’ny hangidy ny fanahiny, manantena ny fahafatesana, nefa tsy avy ny fahafatesana; katsahiny an-kafanam-po, mihoatra noho ny rakitra, fa sambatra izy ireo, sady mientan-kafaliana, ary miravoravo raha sehatra ny fasana; dia ny olona maizin-dalan-kaleha izany, sy voafefin’Andriamanitra hatraiza hatraiza!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 87, 2-3. 4-5. 6. 7-8


Fiv.: Ho tonga eo anoloanao anie ny fivàvako, ry Tompo.

Tompo Andriamanitra ô! andro aho mitaraina! alina mitoloko eo anoloanao! Ho tonga eo anoloanao anie ny fivàvako! Manongilàna sofina amin’ny antsoko!
Fa hetsa-pahoriana ny fanahiko, tafapaka amin’ny Seoly ny aiko! Efa naman’ny mitsitra any an-davaka aho, toy ny mpiady afa-kery!
Eo afovoan’ny maty ny fandriako; izaho mova tsy ny maty ao am-pasana izay tsy tsaroanao intsony, fa he! nakipaky ny tananao!
Amin’ny vody lavaka aho no napetrakao, amin’ny lalina sy maizina indrindra! Natsindrinao ahy ny hatezeranao; ny alon-dranonao rehetra natototrao ahy!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Zakaria Mpaminany

Zak. 8, 20-23


Vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema, hitady ny Tompo.

Izao no tenin’ny Tompo Nahary: Ho hita mirohotra indray ireo firenena sy ny mponina avy amin’ny tanàn-dehibe maro. Dia hifanatona ny olona samihafa fiaviana, hifampilaza hoe: “Andao re isika hifona amin’ny Tompo hitady azy Tompo Nahary. Fa izaho koa handeha ho any!” Eny, vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema, hitady ny Tompon’ny hery rehetra, sy hifona eo anatrehany.

Ary izao no tenin’ny Tompo Nahary: amin’izany andro izany, dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena rehetra samihafa fiteny, hihazona mafy ny sisin-damban’ny Jody anankiray, hilaza aminy hoe: “Izahay te-hiara-dia aminareo; satria efa renay fa miaraka aminareo Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra.

Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina no naorin’ny Tompo ianao, Ilay Tompo tsy mahafoy anao. Ny fonenan’i Jakôba: maromaro ihany izy ireny fa ianao no andrian’ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.
I Rahaba sy Babela: mahafantatra ahy izy ireo, ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa. Izao no ambara momba ireo: Izy, hono, teraka tao! I Siôna tsy tahaka izany: Ny rehetra no teraka tao!
Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao! Hosoratany anatin’ny boky ny Vahoaka fa: teraka tao. Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa! Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 51-56


Olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy ka tsy nisy nandray Azy.

Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: “Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?” Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: “Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.” Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078