Sorona Masina ny Alakamisy 23 septambra 2021

Herinandro faha-25 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

 

 

Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’ny Mpitoriteny

Mpitoriteny 1, 2-11

 

Tsy misy zava-baovao atý ambany masoandro.

Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra. Inona no soa azon’ny olona, amin’ny fisasarana rehetra ikezahany atý ambany masoandro? Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray. Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany. Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany, dia miposaka avy ihany indray. Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraka ny teo. Mankany amin’ny ranomasina avokoa ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin’ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka. Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino. Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao no hatao, fa tsy misy zava-baovao atý ambany masoandro. Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin’ny taonjato talohantsika izany zavatra izany. Ny taloha tsy tsaroan’ny olona; ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana, ao amin’izay ho velona rahatrizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 89, 3-4. 5-6. 12-13. 14 sy 17

 

Fiv.: Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao: «Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.» Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina, toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry. Manipelana maraina, vaky vony sy mijoro. Fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay; atodiho fo fanahy, mba hikatsa-pahendrena. Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava. Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro. Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo, hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fiantombohan’ny Bokin’i Akjea Mpaminany

Akj. 1, 1-8

 

Ataovy ny tranon’ny Tompo, fa ankasitrahako izany.

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana no nahatongavan’ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany, tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, governora tany Jodà sy tamin’i Jôsoe zanak’i Jôsedeka mpisorona lehibe, nanao hoe: “Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika: “Itý firenena itý manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon’ny Tompo indray.” Ary tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany nanao hoe: “Ary ho anareo kosa moa dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina, amin’izao aharavan’ny trano izao? Koa ankehitriny, izao no lazain’ny Tompon’ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo. Namafy be ianareo fa mijinja kely; mihinana fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafana; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka. Izao no lazain’ny Tompo ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo. Mandehana eny an-tendrombohitra ka mitondrà hazo; ary ataovy ny trano; hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

 

Fiv.: Sitraky ny Tompo ny vahoakany!

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy. I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany, ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an’Andriamanitra, ka ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 7-9

 

Nasaiko notapahin-doha i Joany, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao?

Tamin’izany andro izany, i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: “I Joany no nitsangan-ko velona”; ny sasany nilaza hoe: “I Elia no niseho”; ary ny sasany nanao hoe: “Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.” Dia hoy kosa i Herôda: “Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?” Dia naniry hahita Azy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.

 

na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko ary ny ondriko mahalala Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082