Sorona Masina ny Alahady 19 septambra 2021

ALAHADY FAHA-25 mandavantaona — B

NY FIALONANA MANDRAVA FITIAVANA, NY FANETREN-TENA AHAVITANA SOA

Tononkira fidirana

 

Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjo azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 2, 12. 17-20

Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baràka Izy.

Izao no holazain’ny tsy mpino: Ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy, manohitra ny fomba fanaontsika, manîny antsika amin’ny fandikana ny lalàna, ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika. Aoka hozahantsika raha marina ny filazany, ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo ampialàna amin’ity fiainana ity. Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy, ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony. Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe, hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany! Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy, satria araka ny filazany dia hoahîn’Andriamanitra izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 53, 3-4. 5. 6 sy 8.

 

Fiv.: Ny Tompo no Ilay Mpanohana ny fanahiko.

Vonjeo amin’ny Anaranao aho, Andriamanitra! omeo rariny amin’ny herinao! Andriamanitra ô, henoy ny talahoko, mampandria sofina amin’ny teniko.
Mpiavonavona no mitsangan-kamely, olon-dozabe no mitady ny aina: izay mba hihevitra an’Andriamanitra tsy ao an-tsainy velively.
Indro Andriamanitra nanampy ahy ny Tompo niahy ny fanahiko. Koa tonga aho hanolotra sorona amin’ny hazavam-ponao. Eny, ry Tompo, tonga aho hidera ny hasoan’ny Anaranao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 3, 16—4, 3

 

Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.

Ry kristianina havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana. Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va? Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo; mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filandratsinareo; ka tsy mahazo ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 29-36

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona... Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: “Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”. Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: “Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: “Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”. Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: “Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, raha tsy ampian’Andriamanitra isika, tsy afaka hiasa araka ny Evanjely; koa mivavaha ho an’ny tenantsika sy ny olombelona rehetra mba hanampy antsika hatrany ny fahasoavan’Andriamanitra.

Valy: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô

* Adidy lehibe ho an’ny Eglizy ny mampitombo finoana ny ankizy sy ny tanora; koa angataho mba tsy hataon’ny vahoakan’Andriamanitra ambin-javatra na oviana na oviana izany, na ny mpitondra na ny sarambaben’ny kristianina.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra vahoaka eran-tany, mba tsy ho ady toerana sy fitadiavana tombontsoa no hibaiko ny asany, fa ny fanompoana marina an’ireo vahoaka iandraiketany.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba ho foana ny fialonana sy ny fifandirana, ary ny fifanaratsiana sy ny eso, ka hisolo fifankahazoana sy firaisan-kina mba hitondra fandriam-pahalemana eran-tany.
* Mivavaha manokana ho an’ny kamboty sy ny ankizy rehetra tsy misy mpiahy, ary ho an’ireo mijaly vokatry ny ady na tsy fifankahazoana na fisaraham-panambadiana mba hahitan’izy ireny fianakaviana hiantra sy ho tia.
* Hoy i Jesoa hoe: «Raha tsy mitovy amin’ny zazakely ianareo, dia tsy ho tafiditra ny Fanjakan’Andriamanitra» ; koa angataho mba ho azontsika tsara izany teniny izany, ary hatoky tanteraka ny fahasoavany isika.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nilazanao ny Apôstôlinao hanompo ny olona rehetra, fony nanambarànao ny hijalianao sy ny hitsangananao avy ao amin’ny fahafatesana; koa ampianaro izahay haka tahaka Anao ka ho tonga mpanompo ny olona rehetra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako: ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.

 

na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko, ary ny ondriko mahalala Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086