Sorona Masina ny Asabotsy 04 septambra 2021

Herinandro faha-22 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5


Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 4, 9-15


Noana izahay, mangetaheta, tsy manan-kotafiana.

Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan’izao tontolo izao, na anjely, na olombelona. Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja. Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako. Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 17-18. 19-20. 21


Fiv.: Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra! Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy: dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy; henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo! Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo; ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina! Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany: mandrakizay, mandrakizay!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 21-23


Nampihavaniny aminy ianareo mba hatsangany ho masina sy tsy manan-tsiny.

Ry kristianina havana, taloha ianareo dia lavitra an’i Kristy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa nampihavanin’Andriamanitra amin’ny Tenan’i Kristy nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany, raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin’ny finoana, ary tsy azo tsoahina hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 53, 3-4. 6 sy 8


Fiv.: Indro Andriamanitra manampy ahy.

Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho; omeo rariny amin’ny herinao! Andriamanitra ô, henoy ny talahoko; mampandria sofina amin’ny tenin’ny vavako.
Indro Andriamanitra manampy ahy; ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko. Koa avy misorona amin’ny hazavam-ponao aho! Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan’ny Anaranao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’Md. Lioka

Lk. 6, 1-5


Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?

Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: “Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?” Sady nampiany hoe: “Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny Lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084