Sorona Masina ny Alarobia 01 septambra 2021

Herinandro faha-22 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5


Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 3, 1-9


Izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra, ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.

Ry kristianina havana, tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy aho, fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy. Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka hatra ankehitriny aza noho ianareo mbola ara-batana. Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany? Raha ny iray hanao hoe: “Izaho an’i Paoly”, ny iray kosa hanao hoe: “Izaho an’i Apôlô”, moa tsy olombelona ihany va ianareo amin’izany? Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly? Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy. Izaho moa namboly, i Apôlô nanondraka; fa Andriamanitra ihany no nampaniry. Samy tsinontsinora na izay namboly na izay nanondraka; fa Andriamanitra izay mampaniry ihany no izy. Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy. Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra, ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 12-13. 14-15. 20-21


Fiv.: Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Any amin’ny toerana onenany Izy mitsinjo ny mponina rehetra amin’ny tany: Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka, Ilay mahafantatra ny asany rehetra!
Ny fanahinay manantena ny Tompo. Mpitahy anay Izy sy Ampinganay! Izy no ifalian’ny fonay; ny Anarany Masina no ifefenay!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 1-8


Tonga atý aminareo toy ny ahatongavany eo amin’izao tontolo izao ny teny fahamarinana.

I Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timôte rahalahy, dia mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa, any Kôlôsy: homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika! Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, amin’ny fivavahana ataonay ho anareo, hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa, sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely. Ny Evanjely efa tonga atý aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina, araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy, izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo. Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 51, 10. 11


Fiv.: Matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra mandrakizay aho.

Fototr’ôliva maitso mavana aho ao an-tranon’Andriamanitra, matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra mandrakizay antaranoana.
Izaho hidera Anao noho ny asanao, ry Ilay mandrakizay! hitory ny Anaranao izay tsara, anoloan’ny mpivavaka aminao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 38-44


Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy. Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.

Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy. Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra”; fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.

Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony; fa hoy Izy taminy: “Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.” Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny Lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079