Sorona Masina ny Alahady 29 aogositra 2021

ALAHADY FAHA-22 mandavantaona — B

TSY MORA NY MANARAKA AN’I JESOA, FA MISY HAZOFIJALIANA

Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5.

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro. Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det. 4, 1-2. 6-8

Aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, i Môizy niteny tamin’ny vahoaka Israely nanao hoe: “Ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo. Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’ izany akory, fa tandremo ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo. Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: “Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!” Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika Azy? Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 14, 2-3a. 3bd-4ab. 4d-5


Fiv.: Iza, ry Tompo, no horaisinao an-trano?

Dia izay mahitsy famindra sy mitandro ny rariny: ny fony misaina ny marina; ny lelany tsy ekeny handainga.
Fady azy ny manisy ratsy sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoany; ny matahotra ny Tompo no hajainy. Ny teny nomeny tsy ivadihany, na voasingotra aza ny tenany.
Tsy mba maka zana-bola izy na mandray tamby hahameloka ny marina. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 1, 17-18. 21b-22. 27


Miezaha ho mpanatanteraka ny teny.

Ry kristianina hava-malala, raiso amim-pahalemem-panahy ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana. Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika. Ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23

Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo.

Tamin’izany andro izany, dia niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazany izy; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?” Ary hoy ny navaliny azy ireo: “Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana’. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo”.

Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: “Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy, satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy ho tratran’ny olombelona rahoviana ny fahalavorariana atoron’ny Evanjely, nefa kosa tsy maintsy miezaka lalandava hatrany isika mba hiaina ara-pitiavana sy fanahy ary fahamarinana. Koa mivavaha mba hiaina araka izany ny olombelona rehetra.

Valy: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amin’ny fiainanay ny tenin’ny Tompo.

* Mivavaha ho an’ny kristianina rehetra mba tsy ho ara-bakiteny loatra ny fanarahany ny Evanjely fa ho araka izay irîn’i Kristy.
* Ny mpitsara sy ny mpitandro ny filaminam-bahoaka dia manana adidy hitondra ny olombelona sy hitsara azy, koa mivavaha mba tsy hampihatra ny lalàna henjana fotsiny izy, fa hamindra fo koa amin’ireo olombelona mitovy aminy.
* Mivavaha ho an’ny mpiasa rehetra mba ho voatsimbina ny zo aman-kasina maha-olona azy amin’ny lalàna atao momba ny asa.
* Mifampivavaha mba ho zary hery hoenti-miara-miasa sy mifankatia bebe kokoa hatrany ny fialam-boly sy ny korana nandritra ny fotoam-pakàn-drivotra sy fialan-tsasatra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, fivavahana araka ny fahamarinana sy ny fitiavana no nampianarinao anay; koa ataovy tena mpivavaka marina izahay, fa tsy ho mpanara-drian-drano fotsiny, ary tsy hitsara na hanameloka ny hafa.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’ity tolotra masina ity, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory ity haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao.


na hoe :

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao, ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084