Sorona Masina ny Alatsinainy 23 aogositra 2021

Herinandro faha-21 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3


Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’itý fiainana miovaova itý.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Fiantombohan’ny taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

2 Tes 1, 1-5. 11b-12


Ankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo sy ianareo koa ao aminy.

I Paoly sy i Silvano ary i Timôte mamangy ny Eglizy any Tesalônika izay tafaray ao amin’ny Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo: Homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany. Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. Famantarana ny hamasinan’ny fitsaran’Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo, ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo, sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 9, 1-2a. 2b-3. 4-5


Fiv.: Ambarao ny firenena ny voninahiny.

Ihirao hira vao ny Tompo! Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo! Hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina.
Torio ny Famonjeny mahafaly! Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny! ny vahoaka rehetra, ny Asany mahagaga!
Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra, mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra! Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa. Ny Tompo kosa nanao ny lanitra.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 1, 2b-5. 8b-10


Niala tamin’ny sampinareo ianareo, ary mitodika any amin’Andriamanitra, miandry ny Zanany ilay natsangany ho velona.

Ry kristianina havana, misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay, ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika; fa fantatray, ry havana malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo, satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo. Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b


Fiv.: Sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: fankalazana am-bava an’Andriamanitra, no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 23, 13-22


Loza ho anareo, ry mpitarika jamba!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: “Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo. Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin’ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.


na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081