Sorona Masina ny Alahady 22 aogositra 2021

ALAHADY FAHA-21 mandavantaona — B

I KRISTY FIDINA, I KRISTY TOMPOINA

Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo ity mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro.


Asiana VONINAHITRA ANIE ...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’ity fiainana miovaova ity.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jôsoe

Jôs. 24, 1-2a. 15-16 sy 18b

Izahay koa hanompo ny Tompo, fa Andriamanitsika Izy.

Tamin’izany andro izany, novorîn’i Jôsoe tao Sikema ny fokon’i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo; dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: “Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Raha tsy sitrakareo ny hanompo ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony, na ny andriamanitry ny Amôreanina izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo”. Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: “Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa. Fa ny Tompo Andriamanitra no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika, ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika. Izahay koa hanompo ny Tompo, fa Andriamanitsika Izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 12-13. 16 sy 23.


Fiv.: Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Avia, rey anaka, henoy Aho: ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo. Iza ianareo no te ho velona sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny Tompo mijery ny olo-marina am-pitiavana sy fatra-pihaino ny tolokony. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo, tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 5, 21-32


Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy no lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny Rano sy ny Teny izy, ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy, satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 61-70

Hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Tamin’izany andro izany, dia betsaka tamin’ny mpianatr’i Jesoa, raha nandre ny Teniny, no nanao hoe: “Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?” Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: “Manafintohina anareo va izany? Hanao ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha? Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. Nefa misy tsy mino aminareo”. Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: “Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany”. Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: “Ianareo koa va mba te hiala?” Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, nandao an’i Jesoa ireo nalain-kino ny teny; koa mivavaha mba tsy ho araka ny maha-olombelona Azy fotsiny no handraisan’ny olona an’i Jesoa sy ny teniny, fa mba hananany finoana hilazàny hoe: «Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay!»

Valy: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amin’ny fiainanay e, ny tenin’ny Tompo.

* Mivavaha ho an’ny mpitory teny rehetra, mba hananany finoana sy fahalalana ampy, hitarihany ny olona hiaiky fa Andriamanitra i Jesoa Kristy.
* Maro ny mpikaroka manitatra ny fahaizan’ny olombelona, nefa ny madinika tso-po no anambaràn’Andriamanitra ny fanjakany; koa mivavaha mba tsy hisakana ireo mpandalina, tsy hahalala ny fahamarinana ara-panahy ny fahaizany.
* Betsaka ny zavatra tompoin’ny olombelona hoatra ny Andriamanitra; koa mivavaha mba hahalala an’i Jesoa Kristy hany Tompo tokana sy Andriamanitra marina, ny olombelona rehetra.
* Mandritra ny fialan-tsasatra dia maro ny olona ifaneraserana sy ifankatiavana ary tonga mifankahazo tanteraka; koa mivavaha mba ho eo amin’ireny fotoana ireny hatrany Andriamanitra.
* Mifampivavaha isika iray fiangonana mba hampitomboan’Andriamanitra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ary hamirapiratra amin’ireo miara-miaina amintsika ny fanarahantsika Azy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, Ianao irery no manana ny teny mahavelona mandrakizay; koa aza avela hisakana anay tsy hahalala Anao sy tsy hankatò Anao ny lainga sy ny fisalasalana ary ny hevi-diso henonay; ary ataovy miray hasambarana sy miray aina aminao izahay hatrety an-tany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana, no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny lanitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.


na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra, hahavitanay asa mendrika hankasitrahinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085