Sorona Masina ny Zoma 20 aogositra 2021

Herinandro faha-20 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

 

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 37, 1-14

 

Ry taola-maina, henoy ny tenin’ny Tompo: Hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo Aho, ry vahoakako.

Tamin’izany andro izany, tonga tamiko ny tenin’ny Tompo ka nentin’ny Tompo nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin’ny lemaka feno taolana. Nentiny nandeha teo akaikin’ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon’itý tany lemaka, sady maina dia maina. Ary hoy Izy tamiko: “Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?” Ka hoy ny navaliko Azy: “Ry Tompo Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!” Dia hoy Izy tamiko: “Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny Tompo! Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra amin’ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo. Hasiako hozatra eo aminareo, hampaniriako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo, ka ho fantatrareo fa Tompo Aho.” Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injany zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana. Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin’ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin’ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy tao aminy.

Ary hoy Izy tamiko: “Maminania amin’ny fanahy; maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazan-tany efatra; ka tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.” Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin’ny tongony: tafika lehibe, tena lehibe indrindra.

Hoy ny Tompo tamiko: “Ry zanak’olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak’i Israely rehetra. Indreo izy ireo manao hoe: Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay! Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Indro Aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely. Ary dia ho fantatrareo fa Tompo Aho, rahefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako. Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona ianareo, sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo ka dia ho fantatrareo fa Izaho Tompo dia milaza sy manatanteraka koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 106, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

 

Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara. Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.

Mandredòna izany ianareo navotan’ny Tompo, izay teo an-tanan’ny mpampahory nangoniny avy amin’ny vazan-tany: atsimo sy avaratra, atsinanana sy andrefana!
Tafasia tany an’efitra aman-tany foana izy ireo, tsy nahita lalana mihazo tanàna hiatoana; tratry ny hanoanana sy hetaheta, nandre harerahana tao anatiny.
Dia nitaraina tamin’ny Tompo fa nijaly: ka nafahany tamin’ny fahoriany, nampizoriny tamin’ny lala-mahitsy, hahatongavana an-tanàna hiatoana.
Aoka izy hisaotra ny Tompo noho ny hatsaram-pony, sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona; fa ny fanahy mangetaheta hetsahiny, ny fanahy mosarena vokisany soa!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fiantombohan’ny Bokin’i Rota

Rota 1, 1. 3-6. 14b-16. 22

 

Nody niaraka tamin’i Rota, Môabita, i Nôemi ary niverina tao Betleema izy ireo.

Tamin’ny andron’ny Mpitsara, dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Môaba, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemi, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy. Naka vady tamin’ny vehivavy Môabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.

Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Môaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Môaba fa efa novangian’ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina. Fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. Ka hoy i Nôemi: “Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andrianianiny iry ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.” Fa hoy i Rota: “Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”

Toy izany no nodian’i Nôemi, ary niaraka taminy i Rota, Môabita, vinantovaviny izay avy any amin’ny tanin’i Môaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana ny ôrja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 145, 5-6. 7. 8-9a. 9bd-10

 

Fiv.: Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony. Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka, sy izay rehetra ao amin’ireny.
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana sy manome rariny ny ampahoriana! Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika, Tompo tia ny olo-marina, Tompo mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena; fa mampiviona kosa ny olon-dratsy. Tompo manjaka mandrakizay; dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 22, 34-40

 

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao; tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany, ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!

 

na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0187