Sorona Masina ny Alatsinainy 16 aogositra 2021

Herinandro faha-20 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11


Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 24, 15-24


I Ezekiela no famantarana ho anareo.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe: “Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin’ny indray mitselatra monja, ilay fifalian’ny masonao; nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory. Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty. Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”

Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho, ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy. Ka hoy ny olona tamiko: “Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?” Dia izao no nolazaiko tamin’ireo: “Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe: Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo, izay nilaozanareo. Amin’izany ianareo, hanao toa izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana. Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo. I Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21.


Fiv.: Ilay Andriamanitra nahitanao masoandro, hadinonao.

Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao. Nahita izany ny Tompo ka tezitra, nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako, dia ho hitako izay hiafarany. Fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’ny Mpitsara

Mpits. 2, 11-19


Nanangana mpitsara ny Tompo, kanefa tsy nohenoiny izy ireo.

Tamin’izany andro izany, nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely, fa nanompo an’ireo Baala. Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo. Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.

Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony. Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa, araka ny efa voalazan’ny Tompo, araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy. Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy; nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan’ireny. Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany, izay nitandrina ny didin’ny Tompo; tsy nanao tahaka izany izy. Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo, dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara; satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.

Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44


Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Ireo olona voalazan’ny Tompo dia tsy naringany velively. Niharo tamin’ireo firenena izy, sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny, ka tonga fandrika ho azy. Nosoroniny ho an-dolo ny zanany lahy aman-janany vavy.
Voazimban’ny nataony izy ireo, zary janga noho ny asany. Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany, tonga halany mainty ny lovany.
Matetika anefa nafahany ihany; kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana. Kanjo hitany ny fahaporetany; henony ny ferin’ny ainy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 19, 16-22


Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe: “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.” Dia hoy izy hoe: “Didy inona avy?” Dia hoy i Jesoa: “Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Dia hoy ilay tovolahy taminy: “Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.” Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!


na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082