Sorona Masina ny Alahady 15 aogositra 2021

15 AOGOSITRA – Fankalazana manetriketrika an’i

MASINA MARIA VIRJINY NAMPIAKARINA ANY AN-DANITRA

Tononkira fidirana

Apôk. 12, 1

Nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra: dia vehivavy nitafy masoandro; ka ny volana no teo antongony, ary kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, nampiakarinao vatana sy fanahy ary nomenao voninahitra any an-danitra i Maria Virjiny tsy azon-keloka, Renin’ny Zanakao; koa mihanta aminao izahay: atodiho mandrakariva amin’ny haren’ny lanitra ny sainay dia ho mendrika hiombom-boninahitra aminy izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 11, 19a; 12, 1-6ab. 10ab

Nisy vehivavy nitafy masoandro ary ny volana no teo an-tongony.

Novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena. Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-ton-gony, kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany. Bevohòka izy sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana. Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dràgona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany. Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dravehivavy hiteraka izy, mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka. Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany. Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy. Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: “Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristy koa ny fahefana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 44, 10bd-11. 12ab. 16

 

Fiv: Andriambavy mihaingo amin’ny volamena no indro mijoro ankavananao.

Misy zanaka mpanjaka: andriambavy iray no eo ankavananao mirenty volamena avy any Ofîra.
Mihainoa, razazavavy, mampandria sofina: ny taninao sy ny fianakavianao hadinoy. Ny Mpanjaka mankatelina ny bikanao.
Iondreho izy fa tomponao, mandrosoa an-kafaliana sy haravoana, ary dia midira ao an-dapanao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 15, 20-26b

 

I Kristy no santatra, vao izay ny an’i Kristy.

Ry kristianina havana, efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry; satria olona iray no niavian’ny fahafatesana ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona; ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy, fa manaraka ny laharany avy: i Kristy no santatra, vao izay ny an’i Kristy amin’ny andro hiaviany. Rehefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. Satria tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 39-56

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.

Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria, ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy”. Ary hoy i Maria: “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny. Fa indro hatramin’izao dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany, sady amin’izay matahotra Azy, hatramin’ny taranaka fara mandimby, ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodîny mitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika”. Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ampitondray an’i Masina Maria miakatra any an-danitra ny vavaka ataontsika, ry kristianina havana hakambany sy hatolony an’i Jesoa Zanany mba handaitra sy hisy vokany ho an’ny olona rehetra eto an-tany.

Valy: Ry zanak’i Maria ô, henoy re izahay, henoy re izahay.

* Renin’ny Eglizy i Masina Maria, koa mivavaha mba hatoky azy bebe kokoa hatrany isika ary hahita fa tena zanany tiany sy mahay maka tahaka azy nanetry tena.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra raharaham-bahoaka, mba hitsimbinany ny renim-pianakaviana rehetra sy hanampiany azy amin’izay manahirana.
* Mankalaza an’i Masina Maria asandratr’Andriamanitra isika; koa mivavaha ho an’ireo vehivavy mijaly sy hitsakitsahina ary ireo mahantra, miasa, lany mondron-kery mamelona ny fianakaviany na manompo ny hafa.
* Tsarovy ny vehivavy rehetra eran-tany, mba hampiseho an’Andriamanitra fitiavana amin’ny reny rehetra, ary hanampiany ny tanora tsy hanarinary foana ny androny, fa hanomana tsara ny ho aviny.
* Maniry hifankatia sy hiara-tsambatra amin’i Jesoa sy i Maria isika; koa mangataha haka tahaka azy ho feno fanetren-tena, ary hahay mifanampy sy manompo ny namana.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Andriamanitra ô, nandalo tety an-tany i Maria Reninao, nahalala ny mihatra aminay, na hafaliana na fahoriana, na tebiteby na ahiahy, na fanantenana na hakiviana; koa ampio izahay hanahaka azy ary hiara-tsambatra aminy any an-danitra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Hisondrotra ho any aminao anie, ry Tompo, ny sorom-pitiavanay; ary efa mivavaka ho anay i Masina Maria Virjiny nampiakarina any an-danitra, ka enga anie ny fonay mirehi-pitiavana haniry Anao lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Satria nakarina any an-danitra ankehitriny ilay Virjiny niteraka an’Andriamanitra ho santatra sady tandindon’ny Eglizy hiorina ary fanantenana sy fialana alahelo mahatoky ho anay vahoaka mivahiny ety an-tany. Eny, tsy tianao ho lo tao am-pasana ilay niteraka ny Zanakao tompon’ny aina tonga nofo tamin’ny fomba mahagaga.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely amin’ny tononkira ataony, ka midera Anao izahay faly sy mihoby manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .

 

Kômonio

Lk. 1, 48-49

Hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria nanao zava-dehibe tamiko Ilay Mahefa.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nandray ny Sakramenta mahavonjy izahay, ry Tompo, no mihanta aminao, ary efa mivavaka ho anay i Masina Maria nampiakarina any an-danitra, koa enga anie izahay koa hitsangan-ko velona be voninahitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

<<Previous           Contents           Next>>

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008