Sorona Masina ny Alatsinainy 09 aogositra 2021

Herinandro faha-19 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

 

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 1, 2-5. 24-28d

 

Sarintsarin’ny voninahitr’Andriamanitra ihany izany fahitana izany.

Tamin’ny taona fahatelopolo, volana fahefatra, andro fahadimin’ny volana, raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho, dia nisokatra ny lanitra, ary nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho. Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, taona fahadimy nahababo an’i Jôasina, mpanjaka, tamin’izay, — tonga tamin’i Ezekiela, zanak’i Bozi, mpisorona, ny tenin’ny Tompo, tany amin’ny tany Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara, ary mby teo aminy teo ny tanan’ny Tompo. Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo. Ary hitako teo afovoany, ny endrijava-manana aina efatra, ka toa izao no fijery azy: miendrika olombelona izy. Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikapokapoky ny elany, ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby; nony mijanona izy, dia avelany milefitra ny elany. Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany: nony mijanona izy dia navelany hilefitra ny elany.

Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io. Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny andilany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa andilany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy. Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana manodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’Izy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde

 

Fiv.: Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo izay any an-danitra any. Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any. Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra. Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.
Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka tsy hita isa. Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo. Ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany. Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.
Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo. Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja. Ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany.
Ireo mpanompo azy faly mankalaza sy midera. Tsy iza izany akory fa ny firenena Israely, ilay vahoaka tiany, nolalainy hatrany.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Deteronômy

Det. 10, 12-22

 

Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny koa ianareo.

Niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: “Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’ny Tompo Andriamanitrao aminao afa-tsy ny mba hatahoranao ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra; ary amin’ny fitandremanao ny didin’ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao? Jereo fa an’ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy. Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’ny Tompo ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao

Koa forao ny fonareo, ary aza henjanina intsony ny hatokareo. Ny Tompo Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly, fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy. Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, miraiketa aminy, ary ny Anarany no ataovy fianianana. Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao. Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo fa ianao kosa ankehitriny, dia efa nataon’ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

 

Fiv.: Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna! Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto. Mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina!
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an’i Israely! Tsy misy olon-kafa nomeny izany. Ny satany manko nafeniny azy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 17, 21-26

 

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany, raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: “Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona, ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.” Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: “Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?” Dia hoy i Piera: “Mandoa Izy.” Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: “Ahoana ny hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia, ny zanany sa ny olon-kafa?” Hoy i Piera taminy: “Ny olon-kafa.” Dia hoy i Jesoa: “Raha izany àry, dia afaka ny zanany. Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083