Sorona Masina ny Alarobia 04 aogositra 2021

Herinandro faha-18 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6


Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 31, 1-7


Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao.

“Amin’izany andro izany — teny marin’ny Tompo, — Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin’i Israely, ary izy ireo ho oloko.” Izao no lazain’ny Tompo: “Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; te-hanome fitsaharana an’i Israely Aho.” Niseho tamiko tany lavitra tany ny Tompo.” Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao. Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana. Hamboly ny tanimboaloboko indray ianao any an-tendrombohitr’i Samaria: izay mamboly, hamboly ka hioty. Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe: “Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin’ny Tompo Andriamanitsika!” Fa izao no lazain’ny Tompo: “Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba, manaova firavoravoana noho ny amin’ilay lohan’ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana ka lazao hoe: “Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13


Fiv.: Ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny ny Tompo.

Henoy ny Tenin’ny Tompo, ry firenena, ka ambarao an’ireo Nosy any lavitra Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona, ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny!
Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba, sy hanavotra ny amin’ny tanan’ny mahery noho izy: ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin’ny havoan’i Siôna, hankafy ny zava-tsoan’ny Tompo toy ny vary sy divay, diloilo, zanak’omby aman’ondry!
Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy; ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana! Ny fisaonany hampodìko ho haravoana; hafaliana no hatambiko ny fahoriany!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fanisana

Fanis. 13, 1-2a. 26— 14, 1. 26-29. 34-35


Na taiza na taiza, tsy nahita ny tany niriny izy ireo.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Môizy tao amin’ny tany efitr’i Faràna ny Tompo nanao hoe: “Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely.” Nony afaka efapolo andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo. Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy Aarona, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy. Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: “Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any. Fa ny vahoaka monina any, mahery; ny tanàna, sady mimanda no lehibe; ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa. Amaleka no monina amin’ny faritanin’i Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreanina no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny moron’i Jordany.” Fa i Kabela nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: “Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.” Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy: “Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany, fa mahery noho isika izy.” Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy: “Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy; ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo; ary hitanay tany koa ry rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny rapeto: mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.” Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

Niteny tamin’i Môizy sy Aarôna ny Tompo nanao hoe: “Mandra-pahoviana no handeferako itý fiangonana ratsy mimonomonona amiko itý? Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko. Lazao amin’izy ireo hoe: Velona Aho, hoy ny Tompo; hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko. Hiampatrampatra amin’itý efitra itý ny fatinareo: ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko. Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany — fa soloana taona iray ny andro iray, — no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo. Izany no teniko, Izaho Tompo. Izany no ataoko amin’itý fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona atý an’efitra atý izy, ho faty atý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 105, 6-7a. 13-14, 21-22. 23


Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo fa tia ny vahoakanao Ianao.

Nanota toy ny Razanay izahay, nanao izay meloka sy ratsy. Ny Razanay tany Ejipta tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Kanjo nalaky nanadino ny asany, sy tsy nahandry ny lahany: fa voan’ny fitsiriritana tany an’efitra, ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta, zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama, zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Dia nilaza handringana Izy, raha tsy i Môizy ilay voafidiny, no nisosoka nitokona teo anoloany, mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 15, 21-28


Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”; fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: “Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.” Ary hoy ny navaliny azy: “Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.” Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Nefa novaliany hoe: “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.” Ary hoy ravehivavy: “Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.” Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0628