Sorona Masina ny Talata 03 aogositra 2021

Herinandro faha-18 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6

 

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

 

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 50, 1-2. 12-15. 18-22

 

Hasiako toy ny famely fahavalo ianao noho ny habetsahan’ny helokao. Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba.

Izao no teny avy amin’ny Tompo, natao tamin’i Jeremia: “Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Soraty amin’ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao. Fa izao no lazain’ny Tompo: tsy azo sitranina ny ratranao, manaintaina ny ferinao; tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao. Ny lehilahinao rehetra nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao, tamin’ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan’ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao. Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatrànao, noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao? Noho ny habetsahan’ny helokao ihany, sy noho ny nitomboan’ny fahotanao, no nanaovako izany zavatra izany taminao.”

Izao no lazain’ny Tompo: “Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba, ary hamindràko fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany. Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsina intsony izy; hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy; ho tahaka ny taloha ny zanany: hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany, ary hofaiziko ny mpampahory azy. Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpifehy azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? — teny marin’ny Tompo. — Ary ianareo dia ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23

 

Fiv.: Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna ka hiseho anatin’ny voninahiny.

Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena; ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo mankao hanorina an’i Siôna, ka hiseho anatin’ny voninahiny, hanatrika ny vavak’izay norobaina, tsy hanosika ny talahon’izy ireo.
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary! Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo, ary any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany! hahahenoany ny senton’ny mpifatotra, hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay, ary ny taranany hijoro eo anoloanao! Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo, sy ao Jerosalema ny fiderana Azy, raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo ireo vahoaka sy ireo Fanjakana!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fanisana

Fanis. 12, 1-13

 

Tsy mba tahaka ny mpaminany hafa i Môizy; ka nahoana ianao no tsy matahotra ny hanome tsiny azy?

Tamin’izany andro izany, i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Moizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy Kosita izy. Hoy izy ireo: “Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no efa nitenenan’ny Tompo? Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va Izy?” Ren’ny Tompo izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etý ambonin’ny tany.

Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria ny Tompo nanao hoe: “Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-tranolay fihaonana.” Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy ary ny Tompo nidina tamin’ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran’ny tranolay. Niantso an’i Aarôna sy i Maria Izy, dia nandroso izy mianadahy ireo; ary hoy Izy hoe: “Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy Mpaminanin’ny Tompo eo aminareo, dia fahitàna no isehoako aminy, ary nofy no itenenako aminy. Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy. Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny endriky ny Tompo izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?” Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’ny Tompo, ka lasa Izy.

Ny rahona niala teo ambonin’ny tranolay. Ary indro i Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy. Ary hoy i Aarôna tamin’i Moizy: “Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany. Aoka re, tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.” Dia nitaraina tamin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe: “Ry Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, sitrano izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 12-13

 

Fiv.: Iantrao izahay, ry Tompo, fa nanota taminao!

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako, eo imasoko hatrany ny otako. Taminao aho no diso Andriamanitro, fantatrao avokoa ny kilemako!
Izay lazainao tokoa no hany marina. Raha mitsara ahy Ianao, ara-drariny. Fa tanaty heloka aho re no teraka, tamin’ny ota aho no torontoronina.
Fo madio vaovao no angatahiko, sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko!

 

Fihobiana ny Evanjely (taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 14, 22-36

 

Asaivo hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony avy nampitombo ny mofo i Jesoa, ka nihinana sy voky ny vahoaka, dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambarapandravany ny vahoaka; ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo. Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: “Matoatoa io” sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Namaly i Piera nanao hoe: “Raha Ianao àry, Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.” “Avia”, hoy Izy. Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Niaraka tamin’izay naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?” Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: “Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.”

Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genesareta; ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra, ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay nanendry.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Fihobiana ny Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 15, 1-2. 10-14

 

Ny voly rehetra tsy ambolen’ny Raiko dia hongotana.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna sy Farisianina avy tany Jerosalema nanatona an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovan-tsofina, fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina?” Ary rahefa nasain’i Jesoa hanatona Azy ny vahoaka, dia hoy Izy taminy: “Hainoy, ary fantaro: tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona.” Dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe: “Fantatrao va fa tafintohina ny Farisianina nandre izany teny izany?” Ary hoy ny navaliny azy ireo: “Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba; ka raha misy jamba mitari-dalana ny jamba, dia hianjera any an-kady izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.

 

na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193