Sorona Masina ny Alahady 01 aogositra 2021

ALAHADY FAHA-18 mandavantaona — B

RAY AMAN-DRENY MPAMELONA ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô, afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana; ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 16, 2-4. 12-15

Indro handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho.

Tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna tany an’efitra ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra. Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: “Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao”. Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely, ka lazao azy ireo hoe: Amin’ny aty takariva ianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia ho voky mofo, ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo”. Nony hariva, indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby; maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby. Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany. Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: “Inona itony?” satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: “Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 77. 3-4bd. 23-24. 25 sy 54.


Fiv.: Vary avy any an-danitra no nomen’ny Tompo azy ireo.

Izay henonay ka fantatray fa notantarain’ireo razanay no lazainay ny solofo aty aoriana: dia ny voninahitry ny Tompo sy ny heriny.
Nobaikoiny ny rahona teny ambony, nadanadanany ny varavaran’ny lanitra: ny mana narotsany ho sakafony, varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofon’Anjely no nohanin’olombelona, nahahetsaka tokoa ny vatsy nalefany. Dia napetrany teo am-bohiny masina, teo an-kavoana izay noarîn’ny tanany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 17. 20-24


Tafio ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra

Ry kristianina havana, izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: Aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany. Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao, izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 24-35

Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta

Tamin’izany andro izany, nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: “Raby, oviana no tonga teto Ianao?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo: ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase”. Ary hoy izy ireo taminy: “Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?” Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny”. Fa hoy ireo taminy: “Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny Mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay Mofo midina avy any an-danitra manome ny fiainana an’izao tontolo izao no Mofon’Andriamanitra”. Ary hoy izy ireo taminy: “Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho no Mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, olona an-tapitrisany maro no matin’ny hanoanana eto an-tany, koa miaraha mivavaka isika amin’ilay Ray iveloman’ny zavatra rehetra mba ho tsara fo daholo ny kristianina rehetra, ka hifampizara amin’ny olombelona namany: na sakafo ara-nofo na sakafo ara-panahy.

Valy: Ianao, ry Tompo, no mpamelona anay sy mpamonjy anay.

* Nirahin’Andriamanitra ny Eglizy hamelona ny olombelona amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia; koa mivavaha ho an’ny Eveka sy ny Pretra, mba samy hahatsiaro sy ho feno toky amin’ny nanirahana azy.
* Betsaka tokoa ireo tsy ampy fivelomana, koa mivavaha mba ho hain’ireo mpitondra firenena mpanana, ny mitsinjara ny harena, ara-drariny kokoa hatrany.
* Mivavaha ho an’ireo kristianina mikatroka hanatsara ny fari-piainan’ny olona, mba hahery fo sy tsy ho voasembantsembana ary hahay miara-miasa.
* Maro ny mahantra gaga amin’ny fandaniana be ataon’ ireo mahazo andro mandritra izao fialan-tsasatra izao; koa mivavaha mba samy hahay hifanampy ny olona rehetra.
* Mivavaha mba tena ho azontsika ary tena hinoantsika ny hafatry ny Tompo manao hoe: «Aza ny sakafo eto an-tany mora levona no imatesana, fa ny sakafo haharitra mandrakizay».


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, raha tsy velomin’ny aim-panahy ny finoanay dia maty, koa velomy amin’ny fitiavana sy ny fahamarinana izahay, ary omeo ny tena Mofon’ny fiainana, hahafahanay manara-dia Anao marina tokoa sy mitaona ny olombelona hahafantatra ny Fanjakanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no Mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1397