Sorona Masina ny Asabotsy 31 jolay 2021

Herinandro faha-17 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36


Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 26, 11-16. 24


Ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny ireo.

Tamin’izany andro izany, hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: “Mendrika hovonoina itý lehilahy itý, fa naminany loza hanjò itý tanàna itý, araka ny efa ren’ny sofinareo.” Fa niteny tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: “Ny Tompo no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana itý trano itý. Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo, dia hanenenan’ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo. Ary ny amiko, dia intý aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’itý tany itý, ary amin’ny mponina eo aminy, satria ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.”

Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra, tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany: “Tsy mendrika hovonoina itý lehilahy itý, satria tamin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.” Ary ny tanan’i Ahikama zanak’i Safana dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 68, 15-16. 30-31. 33-34


Fiv.: Mivavaka aminao aho, ry Tompo.

Afaho amin’ny fotaka aho tsy ho difotra, fa ho afaka amin’ny firohon’ny rano lalina; tsy ho safotry ny onja na hatelin’ny hantsana, tsy hanakombonan’ny fasana ny vavany.
Fa izaho ilay ory sy nijaly kosa dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra, ny babo tsy hainy hamavoina.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Levitika

Lev. 25, 1. 8-17


Amin’ny taona Jobily, hody any amin’ny taniny avy ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe: “Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao: fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany. Ny andro fahafolon’ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra; amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra. Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy. Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana, fa Jobily izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.

Amin’izany taona Jobily izany, samia ianareo mody amin’ny taninareo avy. Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo, na misy zavatra vidinareo aminy, dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny. Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo no hividiananao amin’ny namanao, ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao. Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny, ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny: satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao. Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo, fa matahora an’Andriamanitra, satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8


Fiv.: Hidera Anao ny vahoaka rehetra, ry Andriamanitra. Hidera Anao ny vahoaka rehetra!

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany. Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony, fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny. Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!
Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra. Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina. Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra, ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 14, 1-12


Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: “I Joany Batista izay; efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.” Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny. Satria i Joany nilaza taminy hoe: “Tsy mahazo manambady io ianao.” Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany. Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: “Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.” Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy. Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe :

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindràna fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114