Sorona Masina ny Alatsinainy 26 jolay 2021

Herinandro faha-17 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36


Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 13, 1-11


Ho tahaka itý fehikibo itý, itý vahoaka ratsy itý, ka tsy ho azo atao na inona na inona intsony.

Izao no nolazain’ny Tompo tamiko: “Mandehàna mividy fehikibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin’ny andilanao fa aza atao anaty rano.” Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin’ny Tompo aho, ka nataoko tamin’ny andilako. Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny andilanao; ka mitsangàna, mandehàna mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.” Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’ny Eofrata izy, araka ny nandidian’ny Tompo ahy.

Nony afaka andro maro be, dia hoy ny Tompo tamiko: “Mitsangàna ianao, mandehàna mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.” Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro simba tsy azo atao na inona na inona intsony ilay fehikibo. Ary tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Izao no lazain’ny Tompo: toy izany no hanafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema. Itý vahoaka ratsy itý, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka itý fehikibo itý tsy azo atao na inona na inona intsony itý. Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona, no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko — teny marin’ny Tompo, mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo, mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino Ahy izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21


Fiv.: Ilay Andriamanitra niteraka anao tsy noraharahainao.

Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao. Nahita izany ny Tompo ka tezitra, nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
Hoy izy: hafeniko azy ny tavako, dia ho hitako izay hiafarany, fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 32, 15-24. 30-34


Efa nahavita heloka bevava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.

Tamin’izay i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra; nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa; voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa. Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasokitra tamin’ny takelaka. Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: “Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.” Fa hoy ny navalin’i Môizy: “Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.” Nony mby teo akakin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny hatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra. Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo, nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.

Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: “Fa nataon’itý vahoaka itý ahoana ianao no dia notsindrinao heloka be vava toy izao izy?” Hoy Aarôna namaly azy: “Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy itý vahoaka itý. Izao no nolazain’izy ireo tamiko: “Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay, fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.” Dia hoy aho tamin’izy ireo: “Samia ary mahafoy ny azy izay manam-bolamena.” Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.”

Nony ampitso, dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: “Efa nahavita heloka be vava ianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’ny Tompo aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.” Dia niverina nankany amin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe: “Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo. Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.” Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko. Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 105, 19-20. 21-22. 23


Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby, niankohoka tamin-tsary anidina. Ilay voninahiny dia natakalony sarin’ombalahy homana ahitra.
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy Azy. Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta, zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama, zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Dia nilaza handringana Izy, raha tsy i Môizy ilay voafidiny no nisosoka nitokona teo anoloany, mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 31-35


Tonga hazo ny voatsinapy, dia avy ny voromanidina mipetraka eo amin’ny rantsany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voatsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.” Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra, dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.” Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe :

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindràna fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009