Sorona Masina ny Asabotsy 24 jolay 2021

Herinandro faha-16 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8


Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 7, 1-11


Moa zohy fieren’ny mpangalatra ve itý trano iantsoana ny Anarako itý?

Izao no teny natao tamin’i Jeremia, tamin’ny Anaran’ny Tompo: “Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’ny Tompo, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo rehetra lehilahy amin’i Jodà izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’ny Tompo. Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ahitsio ny lalanareo aman’asanareo, dia hamponeniko amin’itý tany itý ianareo. Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe: Itý no tempolin’ny Tompo, tempolin’ny Tompo, tempolin’ny Tompo! Fa raha ahitsinareo ny lalanareo aman’asanareo; raha tsarainareo marina ny adin’ny olona amin’ny namany, raha tsy ampahorìnareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin’itý tany itý ianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo, dia hamponeniko amin’itý tany itý ianareo; amin’itý tany efa nomeko ny razanareo hatramin’ny andro taloha ka hatramin’ny mandrakizay. Kanefa ny itokianareo dia teny lainga, tsy mahasoa anareo velively akory! Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin’olona, mianian-tsy tò, manemboka an’i Baala, ary manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo ianareo! dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin’itý trano iantsoana ny Anarako itý, ka manao hoe: Ho afaka isika! Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany. Moa zohy fieren’ny mpangalatra eo imasonareo va itý trano iantsoana ny Anarako itý? Izaho koa mba nahita izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a. 11


Fiv.: Drey! mahatehotia ny fonenanao, ry Tompon’ny tafika!

Manembona Anao lalandava ny foko. Miseho maniry ny kianjanao. Endrey velon-kira mihoby ny foko. Mientana faly miandra Azy Tompo. Fa velona sady manjaka tokoa ilay Andriamanitra Fanantenako.
Ny voromanidina ireny tsy lao, ireo sidintsidina mbamin’ny fody, mitoetra manila ny Otelinao, ry Tompo Mpanjakan’ny tany tontolo.
Endrey ny hasambaran’ny vahoakanao, mihoby, midera tsy tapaka Anao. Miravo tokoa izay mitoky aminao. Mavitrika, tojo ny lalan-kombana. Endrey fa mitombo izaitsizy ny hery, miroso tsy miato hatrany ny dia.
Ny andro iray ao an-kianjanao, mihoatra ny arivo an-toerana hafa. Aleoko mandia ’zany tokonanao, tsy tiako ny lay manalavitra Anao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 24, 3-8


Itý no ran’ny fanekena ataon’ny Tompo aminareo.

Tamin’izany andro izany, dia tonga i Môizy nitantara tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: “Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.”

Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo. Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely. Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakìny teo anatrehan’ny vahoaka izay namaly hoe: “Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo.” Dia nalain’i Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe: “Itý no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15


Fiv.: Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany. Indro Andriamanitra mamiratra ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona. Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara!
Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra; ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra. Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 24-30


Avelao haniry ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa. Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: “Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?” “Ny fahavaloko no nanao izany”, hoy ny navaliny. “Tianao va ny handehananay hiava azy?” hoy ireo mpanompony taminy. “Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo. Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitra ny vary.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1236