Sorona Masina ny Zoma 23 jolay 2021

Herinandro faha-16 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8


Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 3, 14-17


Homeko mpiandry araka ny foko ianareo; ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema.

Miverena, ry zaza mpiodina — teny marin’ny Tompo, fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna. Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo, izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena. Ary rahefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo, amin’izany andro izany, — teny marin’ny Tompo, amin’izay tsy hisy intsony ny hilaza hoe: Ny fiaran’ny faneken’ny Tompo! Tsy ho mby ao an-tsaina akory izany, tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony, na hanao anankiray hafa indray. Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe: ny seza fiandrianan’ny Tompo! Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny anaran’ny Tompo, fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Jer. 31, 10-13


Fiv.: Ny Tompo miambina anay, toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

Ianareo firenena mihainoa ny Tenin’ny Tompo, ary torionareo izany, any amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe: Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona azy indray; ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.
Satria ny Tompo efa nanavotra an’i Jakôba, sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.
Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’ny Tompo izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiako ho fifaliana ny fisaonany, halako alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 20, 1-17


Ny lalàna nomena tamin’ny alalan’i Môizy.

Tamin’izany andro izany, Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto tamin’i Môizy nanao hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana. Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra, ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo. Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao, fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.

Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy. Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao. Tsy hamono olona ianao. Tsy hijangajanga ianao. Tsy hangalatra ianao. Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao. Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11


Fiv.: Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Maha-te haniry noho ny volamena, sy ny avosam-bolamena madio; mamy noho ny tantely, sy ny tohon-tantely mitsonika.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 18-23


Izay mihaino ny teny ka mahalala azy dia mamoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094