Sorona Masina ny Asabotsy 26 jona 2021

Herinandro faha-12 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9


Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.


Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fitomaniana

Fitom. 2, 2. 10-14. 18-19


Mitaraina amin’ny Tompo ny fon’izy ireo, ry mandan’ny zanakavavin’i Siôna

Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan’i Jakôba rehetra. Narodany tamin’ny hatezerany ny mandan’ny zanakavavin’i Jodà. Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana ama-mpanjaka. Mipetraka mangina amin’ny tany, ny loholon’ny zanakavavin’i Siôna; nasiany vovoka ny lohany; mitafy lasàka mitanondri-doha amin’ny tany, ny virjinin’i Jerosalema. Levona azon’ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin’ny tany ny atiko, noho ny ratran’ny zanakavavin’ny vahoakako, raha ilay toran’ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin’ny kianjan’ny tanàna. Hoy izy amin-dreniny: “Aiza no misy mofo sy divay?”, dia lavo toy ny voan’ny sabatra izy, eny amin’ny kianjan’ny tanàna, ary miala aina eny an-trotroan’ny reniny. Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanakavavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanakavavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao? Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana. Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitàna, dia teny mandainga sy mandrebireby. Mitaraina amin’ny Tompo ny fon’izy ireo! Ry mandan’ny zanakavavin’i Siôna ô! Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao, andro aman’alina; aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao! Aza mety mijanona akory. Mitsangàna; miantsoantsoa mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 73, 1-2. 3-5. 6-7. 20-21.


Fiv.: Ny ain’ny malahelonao aza hadino lalandava.

Ahoana Ianao, ry Andriamanitra, no manary lalandava? no midonaka hatezerana amin’ny ondry fiandrinao? Tsarovy ilay Fiangonana azonao fahiny, izay navotanao sy foko lovanao: dia ny vohitra Siôna, ilay niorenanao fonenana.
Mba aingao lahy ny dia hankamin’ireo zava-drava ela: fa ny ao amin’ny toerana masina anie tsy misy tsy simban’ny fahavalo! Dia ao an-dainao ny rafinao no manerona, sy mampijoalajoala ny fanevany, mandabodaboka, manjanjana famaky: toy ny mitevy ala mikitroka!
Na rafitra na sokitra dia voazera famaky sy kanonta! Ny toeranao masina tsolofana afo; ny fonenan’ny Anaranao zimbaina eny am-bovoka!
Diniho fa ny fanekenao tomombany atý an-kaizinana voatery iereny. Ny malahelo, ny mahantra, aza avela hangaina; ny ory, aoka hidera ny Anaranao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 18, 1-15


Moa misy zavatra mahatalanjona tsy efan’Andriamanitra va na inona na inona? Hiverina atý aminao aho ary hanana zazalahy i Sarà.

Tamin’izany andro izany, dia niseho tamin’i Abrahama teo amin’ny terebintan’i Mambre ny Tompo, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro. Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rahefa niankohoka tamin’ny tany izy, dia nanao hoe: “Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’itý hazo itý ianareo; dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.” Dia hoy ny navalin’ireo: “Ataovy àry, araka izay voalazanao.”

Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe: “Faingàna ianao, mangalà lafarina intelon’ny famarana, ditio ka ataovy mofo.” Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo. Rahefa izany dia hoy ireo taminy: “Aiza i Sarà vadinao?” Hoy ny navaliny: “Ao an-day ao izy.” Ary hoy izy: “Hiverina atý aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.” Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany. Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana, ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: “Izay izaho efa anti-bavy itý ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? ary ny tompoko koa itsy efa antitra!” Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama: “Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: ‘Izay izaho efa anti-bavy itý ve dia mbola hiteraka indray?’ Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’ny Tompo va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina atý aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.” Nandà i Sarà nanao hoe: “Tsy nihomehy aho tsy akory”; fa natahotra izy. Hoy izy: “Tsia, fa nihomehy tokoa ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Lk. 1, 46-47. 48-49. 50 sy 53. 54-55


Fiv.: Tsy hadinon’ny Tompo ny famindram-pony.

Ny foko midera ny Tompontsika, ny saiko mifaly amin’Andriamanitra. Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy, ilay mpanompovaviny tsinontsinona.
Fa indro manomboka ankehitriny, hantsoin’ny taranaka: « Sambatra» aho. Nahavita be tamiko ilay Mahefa, ilay hoe: «Ny Masina no Anarany.»
Ilay mandrakizay ny indrafony amin’ny olon-drehetra matahotra Azy. Ilay manototra soa an’ireo noana, fa mampody maina an’ireo mpanana.
Mpanarina an’i Israely olony satria mahatsiaro ny indrafony nampanantenainy ny Razantsika ho an’i Abrahama sy izay taranany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 8, 5-17


Maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hiara-mihinana amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.

Tamin’izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe: “Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ho avy hanasitrana azy Aho.” Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: “Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: “Andeha ianao”, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray hoe: “Avia ianao”, dia avy Izy; ary ny ankiziko: “Ataovy izao”, dia manao izy.” Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely. Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ny zanaky ny fanjakana kosa, dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.” Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny: “Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.” Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.

Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo, dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nisarivý azy ireo izy. Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary, mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.


na hoe:

Jo. 10, 11-15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin’i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0288