Sorona Masina ny Zoma 25 jona 2021

Herinandro faha-12 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9


Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.


Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 25, 1-12


Nentina ho bobo lavitry ny taniny i Jodà.

Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa tamin’ny volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy. Natao fahirano hatramin’ny taona faharaika ambin’ny folo nanjakan’i Sedesiasa ny tanàna.

Tamin’ny andro fahasivin’ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy mofo intsony ho an’ny vahoakan’ny tany, dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny Manda roa, akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo. Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka. Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka trany teo an-tany lemak’i Jerikao; dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra. Nony voasambotr’izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Reblà, amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo. Ny zanakalahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Rahefa izany, dia nopotsirin’i Nabokôdônôzôra ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.

Tamin’ny volana fahadimy, andro fahafiton’ny volana, taona fahasivy ambin’ny folo nanjakan’i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna, dia tonga tao Jerosalema Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina mpanompon’ny mpanjakan’i Babilôna. Nodorany ny tranon’ny Tompo sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe. Ary noravan’ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay niaraka tamin’ny kapitenin’ny mpiambina, ny manda mamaritra manodidina an’i Jerosalema. Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny vahoaka be sisa rehetra, fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6.


Fiv.: Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako raha tsy mahatsiahy anao aho.

Teo amoron’ny onin’i Babilôna, nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna! Ny lokanganay nahantonay tamin’ny hazomalahelo izay teny.
Dia avy ny mpamabo nangataka hira; ny mpifaoka anay nangata-pifaliana! Ihirao hiran’i Siôna hoe zahay.
Fa dia hataonay ahoana no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona? Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka ho maina ny tanako
Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho, raha tsy ianao, ry Jerosalema, no hany antom-pifaliako!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Jenezy

Jen. 17, 1-2, 9-10, 15-22


Hanao fanekena mandrakizay aminao sy amin’ny taranakao aho mba ho vahoakako ianareo.

Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”

Hoy Andriamanitra koa taminy: “Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby. Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.”

Hoy koa Andriamanitra: “Ny vadinao dia Sarà (izany hoe: Andriambavy) no anarany. Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy, ka ho tonga firenena maro ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.”

Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: “Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!”

Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: “Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!”

Kanefa hoy Andriamanitra: “Tsia, fa hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao: hataonao Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy. Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho, ka efa nitso-drano azy Aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy hotongaviko ho firenena lehibe. Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.”

Nony tapi-teny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra Izy niala teo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5.


Fiv.: Hivimbina antsika avy any Siôna ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika.
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao: solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 8, 1-4


Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.

Tamin’izany andro izany, raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahin’ny vahoaka betsaka. Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: “Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.” Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao.” Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.


na hoe:

Jo. 10, 11-15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin’i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194